SamihafaSongadim-baovaoSosialy

LALATIANA ANDRIATONGARIVO: “Sambany nisy Fitondrana nametraka politika fanohanana ny rohin’ny boky”

Saika nanamaivana ny tontolon’ny boky sy ny famakiam-boky avokoa ny Fitondrana nifandimby hatrizay. Mitana anjara toerana lehibe amin’ny kolontsaina sy ny fitaizana ary ny fanabeazana anefa ny vaky boky. Antony mahatonga ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina amin’izao fotoana, miroso amin’ny fametrahana ny politika fanohanana ny rohin’ny boky. Fantatra izany, nandritra ny fanokafana ara-pomba ofisialy ny tranombokim-pirenan’i Madagasikara, omaly.

Ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina.

Asa nataon’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina, tamin’ny alalan’ny Tranombokim-pirenena, efa am-bolana maro ny fanentanana sy ny fampahafantarana ny mpanoratra sy ny asa sorany manerana ny Nosy. Amin’izao fotoana izao, fantatra fa nanokana sorabola ny Minisitera, ary sambany no nisy izany, hanohanana ny rohin’ny boky na ny “chaine du livre”. “Ny Rohin’ny boky dia miainga amin’ny mpanoratra, mandalo any amin’ny fanontana boky, mandalo fivarotam-boky, miafara any amin’ireo mpamaky”, hoy ny Minisitra Lalatiana Andriatongarivo. Sambany, hoy izy, no nisy minisitera mividy ny boky izay atontan’ny trano fanotana boky. Tanjona ny hanomezan-danja ny asa soratra sy ny mpanoratra malagasy. Ny Minisitra izay nampirisika ireo mpiara-miombona antoka hanjifa ny boky malagasy. Izany hoe, ireo boky voasoratra amin’ny teny malagasy, mivoaka eto Madagasikara, na boky amin’ny teny vahiny koa fa mahakasika an’I Madagasikara, na koa ireo boky amin’ny teny roan a maromaro mahakasika an’I Madagasikara. Noho izany, politikan’ny minisitera ny hamerenana indray ny kolontsain’ny fitiavana boky.

“Hahalafosana boky anarivony ny fiarahamiasa amin’ny Minisitera”, hoy RANOE

Rakotomahafaly Norbert Eugène (RANOE)

RANOE: “Tsy ho fantatra mihitsy ny mpanoratra, raha vao tsy manam-bola. Nandritra ny taona maro, tsy hita tao anaty politikam-panjakana mihitsy izany fampahafantarana mpanoratra izany. Ankehitriny, misy ny politikam-panjakana momba ny boky, izay tsy maintsy niainga tamin’ny fifampiresahana tamin’ny mpanoratra. Teo aloha, izahay irery no miezaka mampahafantatra ny tenanay. Misy dikany be ho anay mpanoratra ny fividianan’ny minisitera boky. Teo aloha, izahay no manatona sekoly, manao velakevitra, manao tononkalo mitety vazantany, manao antsa tononkalo, amina sehatra iray, dia any ny olona no mividy boky. Tsy nahafa-po anefa izany satria ny raha betsaka indrindra dia 100 no boky lafonao. Ny fiarahamiasa amin’ny minisitera kosa dia mety hahalafosana boky anarivony, na an’aliny mihitsy aza. Noho ny fisian’ny Minisitera dia mivelatra kokoa ny sehatra asa. Zava-dehibe ny politikam-panjakana mifototra amin’ny fanapariahana ny boky eran’I Madagasikara. Izany hoe, teo aloha dia teto andrenivohitra ihany no mety mahafantatra ny asa soran’ny mpanoratra iray. Manomboka izao kosa, fantatry ny rehetra ny asa soran’ny mpanoratra amin’ny alalan’ny rantsamangaikan’ny Minisitera. Efa miroso koa ny fampahafantarana ny mpanoratra amin’ny haino aman-jery ataon’ny Minisitera.

 

TRANOMBOKIM-PIRENEN’I MADAGASIKARA : Nosokafana ofisialy amin’ny endriny vaovao

Tranombokim-pirenena reraka sy efa antitra no novantanin’ny ekipan’ny Minisitera ankehitriny, fony vao nandray ny fitantanana tamin’ny 2019. Tsy fantatra mazava ary tsy mbola nisy mihitsy fanisana ny boky voatahiry. Tsy nokitihina mihitsy ireo tahirin-tsary marobe. Ary efitrano roa monja no nahafahana namaky boky. Betsaka no tsy mahalala akory ny asan’ny tranombokim-pirenena. Dikany, tsy nanana ny toerana tokony hisy azy ny tranombokim-pirenena nandritra ny fotoana naharitra, kanefa renin’ny tranomboky rehetra manerana an’i Madagasikara.

Mbola latsa-danja ny sehatry ny boky sy ny famakiam-boky amin’ny ankapobeny eto Madagasikara amin’izao fotoana, ka nanosika ny minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina, izay nametraka ho laharampahamehana ny tontolon’ny Boky. « Natao,araka izany, ny fanovan-drafitra, dia natsangana ho sampan-draharaha manokana ny tranombokim-pirenena eto Madagasikara. Ankoatra ny fitahirizana sy ny fampahafantarana ary ny fanapariahana vakoka ara-tsoratra, ny tranombokim-pirenena eto Madagasikara dia rafitra iray ihany koa mandrindra, mampivelatra, ary mampiroborobo ny tontolon’ny boky sy ny vaky boky eto Madagasikara”, hoy ny Minisitra Lalatiana Andriatongarivo. Tao anatin’io fanovana ara-drafitra io, no nampidirana ao amin’ny tranombokim-pirenena, ny “agence nationale taratra”, izay efa nitahiry ireo arsiva na ireo tahirintsary sy ireo tahirin-boky isankarazany. Eo koa ny Ivokolo CMDELAC, izay efa natambatra amin’ny tranombokim-pirenena.

Natao ihany koa ny fandaharanasa goavana sy mitohy, “Ndao hamaky boky”, izay misy any an-tsekoly, sy ankalamanja handraisan’ny daholobe anjara. Tao anatin’izany no nanatanterahana ny politika ho an’ny vaky teny itambarambe, mifandraika amin’ny faritra misy, na amin’ny tanàn-dehibe, na ambanivohitra. Ny boky no manatona ny olona..

Amin’izao fanavaozana eo anivon’ny Tranombokim-pirenena izao àry, napetraka ny efitrano famakiam-boky ho an’ny daholobe (na Bibliothèque de lecture publique), ny efitrano famakiam-boky ara-kajy mirindra (na Bibliothèque numérique),  Efitrano famakiam-boky David Jaomanoro izay misy tahala roa: *Tahalan’ny fandalinana sy ny fikarohana, sy *Tahalan’ireo firenena samihafa

Efitrano famakiam-boky ho an’ny daholobe (na Bibliothèque de lecture publique): Vokatry ny fiarahamiasa tamin’ny OIF, sy ny Masoivohon’i Chine no nahazoana ireo boky hahafahana manatanteraka vaky boky ho an’ny daholobe.  Mahazaka olona maherin’ny 100 ny toerana. Mitondra karatra maha mpianatra, na karapanondro izay ho ao. Misy ny boky rehetra momba ny olon-dehibe. “Manomboka any amin’ny Roman, Documentaire, Encyclopédie, Atlas, ny boky malagasy, na boky fianarana na hafa, dia ao amin’ny efitra ho an’ny lehibe avokoa. Ny ao amin’ny efitra ilany kosa dia natokana ho an’ny ankizy. Boky no tena kirakiraina ao an-toerana. Nomena toerana mifanaraka amin’ny aavon’ny ankizy ireo tonga ao. Hatreto, mbola tsy azo atao ny mitondra boky mody, fa ny famakiana boky eo an-toerana ihany no azo atao”, hoy ny tomponadraikitra.

Efitrano famakiam-boky ara-kajy mirindra (na Bibliothèque numérique) : Nanohana sy nanampy ny masoivohon’i Frantsa sy ny Orange Madagascar tamin’ny fampijoroana izany. Toerana famakiam-boky amin’ny tranonkala. Misy ireo tablette izay mitahiry ireo karazan-tsary eto Madagasikara, tamin’ny vanim-potoana isankarazany. Hahafahana maneho ny tanora ankehitriny ny fiainana taloha. Tsy azo alaina na “téléchargena” ny sary rehetra. Ao amin’ity efitrano ity ihany koa no ahitana ny Gazetim-panjakana. Misy “poste d’écoute” koa ao an-toerana, izay hahafahana mihaino ireo hira na rakikira taloha. Ankoatra izay, misy ireo solosaina izay efa hahafahana mamaky boky. Araka ny fanazavana dia efa maherin’ny 500 isa ireo boky efa tafiditra ao amin’ireo solosaina ireo amin’izao fotoana. Tsara ho fantatra fa afaka manoro amin’ny fampiasana ny fitaovana ireo tomponandraikitra ao an-toerana raha sendra misy ankizy na tanora mbola sahirana amin’ny fampiasana izany.

Efitrano famakiam-boky “David Jaomanoro” izay misy : Vao notokanana omaly. Jaomanoro dia mpanoratra tantara, mpanoratra tononkalo. Izy no nosafidiana noho ny nampisongadina azy teo amin’ny lafiny kolontsaina sy ny zavakanto. Anisany politikan’ny tranomboky koa ny fanomezana anarana mpanoratra ny efitrano. Mizara tahala roa ny efitrano ka ireto avy izany:

ahalan’ny fandalinana sy ny fikarohana

*Tahalan’ny fandalinana sy ny fikarohana: Natokana indrindra ho an’ny mpianatra eny amin’ny Oniversite izay mila manao fikarohana manokana, na fandalinana manokana. Izany hoe, hisy voka-pikarohana ihany koa apetraka ao amin’ity tahala ity.  Afaka mandray olona hatramin’ny 75 indray mandray.

 

 

 

Tahalan’ireo firenena samihafa

*Tahalan’ireo firenena samihafa: Natao hahafantarana firenena maro samihafa. Nanome boky hanatevenana izany ireo firenena maromaro (Suisse, France, Allemagne, Chine, Corée du Sud, Japon, Etats-unis, Algérie, Maroc).

Fermer