PolitikaSongadim-baovao

MINISITRA LALATIANA ANDRIATONGARIVO SY NY VADINY: Fanenjehana mifototra amin’ny lainga sy tsaho no atao azy ireo

Tsy nisy ny tsy nanameloka ny fanalam-baraka sy ny fanenjehana miharo fankahalana nataon’ny Gazety mpiseho isanandro “La Gazette de la Grande Île” sy ny mpikirakira tambajotran-tserasera Facebook, omaly, ny mpanara-baovao. Na eo aza ny tsy fitovian-kevitra ara-politika mety hisy, dia efa mihoatra ny fefy, sy tsy azo ekena intsony ny fanosoram-potaka atao amin’ny Minisitra Lalatiana Andriatongarivo sy ny vadiny, izay tsy enjehina amin’ny asa ataony sy ny andraikiny, fa amin’ny fitsikerana ny fiainany manokana izay mbola fanambarana tsy mari-pototra ihany koa.

“Na inona na inona tsy fitovian-kevitra politika, ny fanelezana atsanga tsy aman’orana miainga amin’ny fiainan’olona manokana dia melohina amin’ny hery manontolo ary tsy azo ekena mihitsy.”, io no fanambarana nataon’ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina, Lalatiana Andriatongarivo, taorian’ireo resabe iniana aely mahakasika azy sy ny vadiny.

Efa mihoatra ny fefy. Omaly 08 Septambra 2021 tao amin’ny gazety “La Gazette de la Grande île” dia nisy lahatsoratra miisa dimy mahakasika an-dRamatoa Minisitra Lalatiana Andriatongarivo sy ny Vadiny, Andriamatoa Andry Andriatongarivo. Rehefa jerena ny vontoatin’ny lahatsoratra, manomboka any amin’ny lohateny dia tsy misy afa-tsy fanalam-baraka amin’ny alalan’ny fitsikerana fiainana manokana no nataon’ny gazety. Mampametra-panontaniana ihany hoe mbola asa fanaovan-gazety ve no hilazana izany? Marina fa misy ny atao hoe fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety fa tsy midika fa baranahany izany. Tsiahivina fa ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina, Lalatiana Andriatongarivo mihitsy no anisany nitarika ny tolona ho amin’izany fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety izany. Tsy ny tenany mihitsy noho izany no andeha hanohintohina ny fahalalahan’ny mpanao gazety amin’ny asany, saingy misy fetrany kosa fa tsy tokony ho tonga hatrany amin’ny fanalam-baraka sy ny fitsikerana fiainana manokana. Na sary sy ny soratra nampiasain’ny La Gazette de la Grande Île teo amin’ny pejy voalohany aza dia tsy mifandray velively. “Lalatiana et son amant en train de peindre leur nouveau petit foyer”, io no soratra nataon’ny Gazety teo amin’ny sarin’ny Minisitra Lalatiana Andriatongarivo sy Mr Sayda izay mandoko trano, izany hoe raha adika dia hoe « Lalatiana sy ny sakaizany mandoko ny akanin-dry zareo vaovao”. Diso tanteraka anefa izany fa sarin’ny Minisitra sy Mr Sayda tamin’ny hetsika Tagnamaro natao tany Fort-Dauphin tamin’ny volana Janoary no niniana naparitaka, ary tsy izy ireo irery ihany no teo amin’ny sary fa mbola nisy an’ny mpanakanto Raboussa ihany koa saingy niniana notapahana izany mba nahafahana nitondra porofo hosoka ny amin’izany lainga tiana hafafy.

Mivaona amin’ny adihevitra politika…

Manoloana ity tranga ity, nisesisesy ny fanambarana fanamelohana ny fanenjehana diso toerana mihatra amin-dRamatoa Lalatiana Andriatongarivo mivady. Tafiditra ao anatin’izany ny Antoko Freedom izay nilaza mazava tsara fa “Efa mivoana tanteraka amin’ny adihevitra ara-politika tokony ho izy ao anatin’ny fanajana ny Soatoavina Malagasy izao tranga mamohehatra izao, satria tokoa na inona na inona tsy fitovian-kevitra dia tsy tokony ho tonga amin’ny fanaratsiana be fahatany izay miharo fankahalana”, tamin’ny alalan’ny sekretera jeneralin’ny Antoko, Haja Rasoanarivo. Tetsy ankilany, namoaka fanambarana ihany koa ny Vondrona Free Communication, tamin’ny alalan’ny Tale Jeneraliny, Fetra Rakotondrasoa, izay nilaza fa “tsy natao hanelezana tsaho ny Gazety koa miantso ireo namana mpanao gazety mba hiaro ny tena hasin’izany asa fanaovan-gazety izany”.

Tsy hita izay hanenjehana ilay olona…

“Satria tsy hita izay hamotehana ilay olona, satria manao ny asany izy ary manana vokatra tsara, ary manelingelina ireo mpanohitra fitondrana dia atao mavaivay ny fanenjehana.”, hoy ny Minisitra Lalatiana Andriatongarivo omaly. Fanambarana izay mbola nohamafisin’ny Antoko Freedom ihany koa, ny amin’ny hoe fotoana mampisongadina ny asa sy ny ezaka vitan’ny Minisitra Lalatiana Andriatongarivo izao, ka mendrika tohanana ny tenany. Tsara ho fantatra fa tsy vao sambany no nisy ny fanenjehana mavaivay azy mivady ireo. Ny zavatra tsikaritra anefa dia tsy misy mifandraika amin’ny asa sahanin’izy ireo eto amin’ny Firenena mihitsy ny hanenjehana azy fa saika zavatra foronina sy fitsikerana fiainana manokana no atao lahasa.

Lamandy 1 tapitrisa ka hatramin’ny 6 tapitrisa ariary

Ny lalàna 2020-006, eo amin’ny andininy voalohany, teboka 63, dia miresaka ny momba izay mifandraika rehetra amin’ny fiainana manokan’ny olona iray. Tafiditra ao anatin’izany ny raharaha tokantranony, ny fahasalamany sy ny sisa hafa. Ny andalana farany indrindra amin’ny andininy faha 20 amin’io lalàna io dia milaza fa ny fanohitohinana ny fiainana manokana dia sazin’ny lalàna amina lamandy iray tapitrisa ariary hatramin’ny enina tapitrisa ariary, ankoatran’ny voalazan’ny lalàna laharana faha 2014-006, tamin’ny 19 Jolay 2014 mikasika ny ady amin’ny CyberCriminalité. Noho izany, azon’ny olona lasibatra atao tsara ny mitondra ny raharaha eo anivon’ny Fitsarana.

Fermer