SamihafaSongadim-baovaoSosialy

VARY TSINJO: Noferan’ny Fanjakana ho 1 500Ar ny kilao

Araka ny fampahafantarana tao amin’ny tatitry ny Filankevitry ny Minisitra omaly, noferan’ny Fanjakana ho 1 500Ar ny kilaon’ilay vary nafarana avy any ivelany, izay ho hita eny amin’ireo tsena kely voatokana sy ny tsena mora hanomboka rahampitso. Tanjona ny hitsinjovana ireo fianakaviana tena sahirana, ary efa misy ny rindran-damina mifanaraka amin’izany.

Efa tonga eto Antananarivo ny ampahany amin’ilay vary 7 000 taonina nafaran’ny Fanjakana malagasy avy any ivelany, hatramin’ny afak’omaly. Araka izany, nandritra ny Filankevitry ny Minisitra, omaly, no nametrapetrahan’ny Fanjakana ny rindran-damina rehetra amin’ny fisitrahana izany, ary namerana ny vidin’ny Vary Tsinjo ho 1 500Ar ny kilao. Araka ny fanazavana, hanomboka rahampitso eto Antananarivo Renivohitra ny fivarotana ity Vary amin’ny vidiny mora ity, izay natokana indrindra hitsinjovana ny isan-tokantrano. Araka izany, hatramin’ny dimy (5) kilao ihany no azon’ny fianakaviana iray vidiana ao anatin’ny herinandro. Ho an’Antananarivo renivohitra manokana dia hotsinjaraina any amin’ireo tsenakely miisa 984 izany ary efa voafantina ireo mpamongady sy mpaninjara ny vary mba hialana amin’ny fanararaotana sy ny fanodikondinana, hoy ny fanazavana.

Mitondra ny karinem-pokontany

Araka ny tatitry ny Filankevitry ny Minisitra omaly hatrany dia isan’ireo hivarotra ity Vary Tsinjo ity amin’ny vidiny mirary 1 500ar ny kilao ireo Tsena Mora manerana ny Nosy ka ny Alatsinainy, Alarobia, Zoma no hanatanterahan’izy ireo izany. “Mila mitondra ny karinem-pokontany ireo mividy vary eny amin’ny tsenakely sy eny amin’ny Tsena Mora”, hoy ny tatitra. Izany no natao dia mba hisian’ny fifampitsinjovana sy hiantefa any amin’ireo mpanjifa tena mila izany ny vary amidy amin’ny vidiny mirary.

Mbola nohamafisin’ny Filankevitry ny Minisitra omaly ihany koa fa mifanaraka tsara amin’ny fepetra ara-pahasalamana ity vary nafarana ity ary efa nahazo “certificate de consommabilité” na fanamarinana fa azo hohanin’ny olombelona avy amin’ny Minisiteran’ny Fahasalamambahoaka, sy ny fahazoan-dalana amidy avy amin’ny Minisiteran’ny Varotra. Raha tsiahivina, anisany nandrabirabian’ny mpanohitra ny Fitondram-panjakana ankehitriny ny filazana fa vary lo sy simba ity kasain’ny Fanjakana hamidy eto amin’ny tsena anatiny ity, ary ratsy kalitao. Fanambarana izay tsy hahanana porofo akory, ary tamin’ny fotoana nilazan’izy ireo izany aza mbola tsy teto andrenivohitra akory ny vary. Tetsy ankilany, efa nanamafy ny mpiandraikitra ny tsena mora, raha nanontaniana mahakasika izany, afak’omaly, fa “raha ny kalitaon’ny vary dia tsara dia tsara. Tsy misy vary lo eo ary tsy misy vary lena, tsy araka ny fanaratsiana voizin’ny sasany”.

Fantatra fa hiparitaka any amin’ny Faritra rehetra manerana ny Nosy ity Vary Tsinjo ity manomboka amin’ny herinandro ho avy.

Fermer