PolitikaSongadim-baovao
08 ANDRO MIALOHA NY FIFIDIANANA: Miroso ny fanomanana, efa eny anivon’ny Distrika ireo fitaovana ilaina
Azo lazaina fa efa tomombana amin’izao fotoana ny fanomanana ny fanatanterahana ny fifidianana ho Filohan’ny Repoblika fihodinana voalohany, izay hotanterahina ny alakamisy 16 novambra 2023 ho avy izao. Efa tonga isaky ny distrika ny fitaovana ilaina rehetra, ary eo amin’ny 10%-n’ireo kara-pifidianana sisa hotratrarin’ny rantsa-mangaikan’ny CENI eny amin’ny fokontany tsinjaraina isan-tokantrano…
Raikitra ny fifidianana! 08 andro eo sisa dia higadona ny andro lehibe hanatanterahan’ny vahoaka malagasy tonga taona sy tsy very zo hanatanterahana ny adidy masina hifidianany indray izay ho Filohan’ny Repoblika hitondra ny tany sy ny Fanjakana mandritra ny dimy taona. Raha ny zotram-pifidianana tanterahin’ny eo anivon’ny Vaomieram-pirenena mahaleo tena misahana ny fifidianana (CENI) dia mizotra an-tsakany sy andavany, hatreto. Fantatra tamin’izany, fa efa tonga any amin’ireo rantsa-mangaikan’ny CENI eny anivon’ny distrika manerana an’i Madagasikara avokoa ireo fitaovana sy kojakoja rehetra ilaina amin’ny fifidianana hotanterahina ny faha-16 novambra 2023 ho avy izao. Izany dia ahitana ny bileta tokana sy ireo antontan-taratasy fandraiketana ny fitanana an-tsoratra (PV), ary ny taratasy fanisam-bato. Eo koa ny penina sy ranomainty tsy azo kosehina fanao amin’ny tanana, sy ny sisa. Eo amin’ny fampiofanana ireo mambran’ny CENI avy amin’ny Kaominina rehetra hiandraikitra ny tontolon’ny fandatsaham-bato any anaty biraom-pifidianana kosa indray, dia efa nanomboka omaly talata 07 novambra 2023, ary mitohy anio alarobia 08 novambra. Aorian’ny fahavitan’ny fiofanana io dia fantatra, fa mitondra mody ireo fitaovana voatanisa rehetra miaraka aminy, ary hitsinjara izany eny anivon’ny fokontany ireo solontenan’ny CENI isaky ny kaominina. Nomarihan’ny Mpampiaka-teny iray eo anivon’ny CENI, Andriamarotafika Soava, fa tsy misy ahiahy ny tsy hahatongavan’ireo fitaovana rehetra eny anivon’ny biraom-pifidianana hatramin’ny 16 novambra 2023 hanatanterahana ny latsa-bato isam-pokontany, raha ny zotram-pikarakarana efa nomanina sy notanterahina. Nampiany fahazavana, fa “na ireo toerana hiampitana ranomasina toa ny Nosy Sainte Marie, Maroantsetra sy Mananara Avaratra, izay voatery handehanana botry sy ny sisa dia mandeha soa aman-tsara avokoa sy tsy misy ahiana amin’izao fotoana.
Entanina ireo tsy mbola nahazo kara-pifidianana hanatona Fokontany
Ny mikasika ny fizarana kara-pifidianana indray dia nambaran’ny Mpampiaka-tenin’ny CENI, Andriamarotafika Soava, fa efa mananika ny 90% no efa voazara amin’izao fotoana. Etsy andanin’izany anefa, manentana hatrany ireo tompon’andraikitry ny CENI eny anivon’ny fokontany ny ao amin’ny foibe, mba hanamafy izay fanaterana kara-pifidianana isan-tokantrano izay. Ho an’ireo olom-pirenena tsy tratra an-trano kosa dia entanina hatrany hanatona ny fokontany haka ny kara-pifidianany. Hatreto, tsy misy ahiana ny mety tsy hahatanterahan’ny fifidianana, raha ny zotram-pifidianana notanterahin’ny teo anivon’ny CENI nanomboka tany amin’ny fanavaozana tanteraka ny lisitry ny mpifidy ka hatraty amin’ny fizarana kara-pifidianana, ary ny fanaterana ireo fitaovana ilaina amin’ny fifidianana eny amin’ireo biraom-pifidianana, raha ny namafisin’ity tompon’andraikitra. Miantso ny rehetra kosa mba hifantoka anatin’izay fanatanterahana ny fifidianana izay ny eo anivon’ny CENI, mba ho fahatanterahan’ny safidy malalaka tsy misy faneriterena ka hisian’ny mangarahara anatin’izany ny 16 novambra 2023 ho avy io.
Stan R.



