PolitikaSongadim-baovao

09 NOVAMBRA 2023 SY 20 DESAMBRA 2023 : Nankatoavin’ny HCC ny datim-pifidianana natolotry ny CENI

Nilaza ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana (HCC), tamin’ny alalan’ny Avis n°01-HCC/AV nivoaka omaly, fa tsy mifanohitra amin’ny Lalàmpanorenana ny fandrosoan’ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana 10 andro ny fiafaran’ny fepotoam-piasan’ny Filoham-pirenena am-perinasa ankehitriny. Dikany, nankatoavina ny hanatanterahana ny fifidianana fihodinana voalohany ny 09 Novambra 2023, raha toa ka ny 20 Desambra 2023 ny fihodinana faharoa.

Ny andron’ny alakamisy 09 Novambra 2023 no tolo-kevitra nataon’ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana (CENI) hanatanterahana ny fihodinana voalohany amin’ny fifidianana Filoham-pirenena. Amin’ny 20 desambra 2023 kosa no kasaina hanaovana ny fihodinana faharoa. Raha hiverenana anefa ny voalazan’ny Lalàmpanorenana ao amin’ny andininy faha-47, dia tsy maintsy ho eo anelanelan’ny 19 Novambra sy ny 19 Desambra 2023 no hanaovana izany fifidianana izany. Marihina mantsy fa ny 19 Janoary 2024 no mifarana tanteraka ny fe-potoam-piasan’ny Filohan’ny Repoblika am-perinasa ankehitriny, ka tokony ho roa volana mialohan’io, farafahabetsany, ary iray volana mialohan’io, farafahakeliny no hanatanterahana indray ny fifidianana ho Filoha hitondra ho an’ny dimy taona manaraka, araka ny voafaritry ny lalàna hatrany. Raha io tetiandro natolotry ny Ceni io anefa, dia lasa niroso folo andro mialohan’ilay 19 novambra voafaritry ny lalàna ny hanaovana ny fifidianana. Tsy maintsy naka ny hevitry ny Fitsarana Avo Momba ny Lalàmpanorenana, araka izany, ny Ceni raha azo atao ny mihazona io daty io na tsia.

Omaly, namoaka ny heviny ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana, tamin’ny alalan’ny Avis n°01-HCC/AV, datin’ny 15 Febroary 2023. Nivoitra tao anatin’izany fa tsy mifanipaka velively amin’ny voalazan’ny Lalàmpanorenana ity tolo-kevitry ny Ceni ity, na dia nisy aza ilay fandrosoana 10 andro ny fiafaran’ny fepotoam-piasan’ny Filoha. Notsiahivin’ny HCC ny fisian’ny fanapahana laharana n°03-HCC/AV navoakan’ny Hcc tamin’ny 09 mey 2006 izay nandroso 20 andro ny fiafaran’ny fepotoam-piasan’ny Filoha tamin’izany. Voalaza tao anatin’ny fanazavana fa tsy fepetra tafahoatra na tsy mifanaraka amin’ny tokony ho izy io fandrosoana 10 andro ny datim-pifidianana io, fa kosa hahafahana manaja ny zon’ny vahoaka hifidy, manome lanja ny fiandrianan’ny vahoaka, ary ho fanajana ny demokrasia sy ny fitoniana politika.

Raha tsiahivina tokoa mantsy ny fanazavan’ny Ceni, tamin’ny alalan’ny filohany Dama Arsène Andrianarisedo, dia daty voalanjalanja mba hahafahan’ny olom-pirenena rehetra mandray anjara sy hitsinjovana ny mpirotsaka hofidina ireo daty naroso ireo. Daty izay hahafahan’ny rehetra mivezivezy, araka ny fanazavana, ary nezahana mba tsy ao anaty vanim-potoana mety hisian’ny rivodoza. Toy izany ihany koa ny fialana tamin’ireo daty mety hifanandrify amin’ny fety, toy ny Noely sy ny faran’ny taona. Tsara ho fantatra fa ny Lalàmpanorenana ankehitriny ihany no mamaritra fa tsy tokony ho amin’ny fotoam-pahavaratra no hanatanterahana ny fifidianana eto Madagasikara.

Ny Didim-panjakana manaika ny mpifidy izay raisina eo anivon’ny Filankevitry ny Governemanta sisa, araka izany, no andrasana dia azo ambara ho raikitra io daty io. Na izany aza, azo heverina ny tsy hisian’ny fanovana izany intsony taorian’ny fanapahana navoakan’ny HCC omaly.

Fermer