Non classé

11 011 SITRANA – COVID-19: Mariky ny fahombiazan’ny paikady nosafidiana

Efa-bolana sy telo herinandro no nisian’ny krizy ara-pahasalamana teto amin’ny tany sy ny firenena. Mivoatra hatrany ny antontanisa, ary samy manana ny fomba entiny handikana izany ny tsirairay. Raha nanomboka ny 21 Mars teo no nisy ny tranga voalohany teto Madagasikara, hatramin’ny alahady teo dia niisa 13086 ireo tranga voamarina. Nanambara ny Filoha, afak’omaly, fa 10 816 tamin’ireo olona nitondra ny tsimok’aretina ireo dia efa nahazo fahasitranana avokoa. Hatramin’ny omaly, niisa 2040 ireo mbola manaraka fitsaboana. Isa izay efa saika hahita fihenany hatrany isanandro, noho ny fitombon’ireo sitrana. Araka ny nambaran’ny Filoha ny alahady teo, niisa 148 ireo lavon’ity valanaretina ity teto Madagasikara, nandritra izay efa-bolana mahery izay. Raha nitaha tamin’ireo valanaretina hafa, toy ny pesta izay efa nandalo teto amin’ny firenena, dia azo lazaina ho ambany ny taham-pahafatesana, nandritra izao vanim-potoan’ny Covid-19 izao. Tsara tsiahivina tokoa, fa nahatratra 209 ireo maty tao anatin’ny efa-bolana, nisian’ny pesta teto Madagasikara, ny taona 2017. Hatreto izany, tsy mihoatra ny 1% ny taham-pahafatesana ho an’i Madagasikara. Araka ny antontanisa navoakan’ny sampan-draharahan’ny firenena mikambana misahana ny Fahasalamana (OMS), tafiakatra 2% ny taham-pahafatesana aty amin’ny kaontinanta afrikanina, ary 3,8% izany maneran-tany. Ny tiana hahatongava dia nahitana fahombiazany ny paikady rehetra napetraka teto amintsika. Tsy natao hanamaivanana ireo efa lavon’ny Covid-19 akory izany, fa kosa entina hilazana fa nahavita nisoroka ny loza goavana nety niseho amin’ny firenena ny Fitondram-panjakana, ary koa, azo atao tsara ny mandresy ny valanaretina..
Nahazo “glucomètre” miisa 40
Amin’ny maha sokajiana ho olona marefo ny olona diabetika satria isan’ireo areti-mitaiza io. Ilaina, araka izany, ny fikarakarana manokana azy ireo. Ankoatra ny fiatrehana ny valanaretina covid-19, tsy tokony hohadinoina koa ny fandrindrana ny diabeta eo aminy. Ny olona diabetika dia olona sarotiny, amin’ny resaka fitsaboana, ka tsy maintsy arahi-maso akaiky. Tena saro-pady izy ireo, indrindra ny fanaraha-maso ny fiasan’ny fanafody ho an’ireo olona tsy salama sy miatrika ity valanaretina covid-19, indrindra indrindra raha voan’ity valanaretina ity. Ny eny anivon’ny CSB rehetra eto Analamanga, ohatra, dia efa misy ny fijerena ny tahan’ny siramamy amin’ny marary iray, izay antsoina hoe “Glucomètre”. Ry zareo avy ao amin’ny Amadia, dia nanolotra “glucomètre” miisa 40 ho an’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka. Hampiasaina eo anivon’ireo CSBII sy ireo toeram-pitsaboana mandray an-tanana ireo mararin’ny covid-19. Hahafaha-mitily ny tahan’ny diabeta eo amin’ilay olona marary, indrindra raha mitondra ny tsimokaretina covid-19. Nambaran’ny dokotera Raharivohitra Henri, tomponandraikitry ny fisorohana ny aretina tsy mifindra eo anivon’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, ny fiandohan’ny volana aogositra teo, fa hisy ivon-toerana manokana handraisana ireo olona diabetika. Efa an-dalam-pikarakarana ny fametrahana ireo toerana manokana ireo, ny eo anivon’ny minisitera. Ankoatra ny fitiliana ny covid-19, ho fantatra amin’izany koa ny tahan’ny diabeta ao anatin’ireo marary.

Tags
Fermer