Songadim-baovao
11 Febroary 1975 – 11 febroary 2021 : Notsarovana ny faha-46 taona nahafatesan’ny Jly Ratsimandrava
Notanterahina omaly, tetsy Ambohijatovo Avaratra ny fahatsiarovana ny faha-46 taona nahafatesan’ny Jeneraly Ratsimandrava Richard teo am-perinasa. Nanatontosa ny fanamarihana ny mpitandro filaminana manontolo, izay niompana tamin’ny fanomezam-boninahitra ireo rehetra nodimandry teo am-panatanterahana ny fanompoana ny Firenena nandritra ny herintaona farany. Fanadihadiana…

46 taona katroka omaly ny nahafatesan’ny Jly Ratsimandrava Richard. Nomarihina teny Ambohijatovo Avaratra ny fahatsiarovana ny faha-46 taona nahafatesan’ny Jly Ratsimandrava Richard teo am-perinasa. Tonga nanome voninahitra izany fotoana izany ny Praiminisitra Ntsay Christian, notronin’ireo filohan’ny Andrim-panjakana maro sy minisitra misahana ny fandriampahalemana ary ireo manan-kaja sivily sy miaramila. Ny lanonana dia natao teo ambany fiahian’ny Jly Minisitry ny Fiarovam-pirenena ary notarihin’ny Jly Kaomandin’ny Zandarimariam-pirenena. Ny mpitandro filaminana manontolo no niara-nisalahy nanatontosa ny fanamarihana. Toy ny isan-taona, niompana tamin’ny fanomezam-boninahitra ireo rehetra nodimandry teo am-panatanterahana ny fanompoana ny Firenena nandritra ny herintaona farany ny lanonana, ka nametraka fehezam-bonikazo teo amin’ny tsangambato teo amin’ny toerana nahalavo ny Jeneraly ireo tomponandraikitra isan-tsokajiny ao amin’ny Foloalindahy, ary nanomboka an’izany ny Lehiben’ny governemanta.

Notononina tsirairay ihany koa ny anaran’ireo lavo, na Miaramila izany, na Zandary, na Polisim-pirenena; ka notolorana mari-piraisan-kina tamin’ny fomba hita maso ireo fianakaviana nilaozan’izy ireo. « Andraisana lesona maro eo amin’ny fanehoana ny fahamasinan’ny tanindrazana iraisan’ny Malagasy rehetra ny fahatsiarovana olomanga toy ny Jeneraly Ratsimandrava », hoy ny Praiminisitra, noho ny fahasahiany nijoro sy nandray andraikitra tamin’ny maha Filoha azy, tao anaty fotoan-tsarotra nandalovan’ny Firenena. Toa izany koa ireo mpitandro filaminana rehetra maty teo am-perinasa.
Rehareha ny maty ho an’ny tanindrazana…

Navoitran’ny Jly Sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimaria fa miray hina tanteraka ny Miaramila sy ny Polisy ary ny Zandary hanatanteraka ny tanjona iraisana dia ny hampihatra ny tany tan-dalàna hampisy ny filaminana maharitra, mba hiarovana ny andrim-panjakana, ny ain’ny vahoaka sy ny fananany. « Tsy matahotra fandrahonana na « ultimatum » na avy amin’ny jiolahy na ataon’ny mpanakorontana noho ny fitiavan-tseza ho an’ny tombontsoa manokana ny mpitandro filaminana. Reharehanay ny manolotra ny tenanay ho an’ny tanindrazana », hoy izy hentitra. Izany no hankaherezana ny fianakavian’ireo lavo teo am-panatanterahana ny adidy ho an’ny Tanindrazana, izay nanomezany ny antontanisa. Ny taona 2019, dia 6 ny Zandary 1 polisy 3 Tafika no lavo. Ny taona 2020 nahatratra 8 Zandary, 6 Polisy ary 7 Tafika no lavo am-perinasa. Ny taona 2021: 2 Zandary, 1 Polisy ary 1 Tafika.

Ny fanjakana ankehitriny dia manohana ny mpitandro filaminana araka izay azony atao toy ny fisian’ireo akany fitaizana zaza kamboty, ny « primes » isan-karazany. Nanafatra ny vahoaka izy mba tsy manaiky ny fandemen-tsain’ireo mpanakorontana fa manana mpitandro filaminana miray hina « tsara hofana sy tsara fehy » ny Fitondram-panjakana.
Tsy ilaina ny fanakorontanana…
Andriamatoa minisitry ny Filaminam-bahoaka kosa, nisaotra ny Praiminisitra tamin’ny fanotronana satria manamafy hatrany fa laharam-pahamehana amin’ny Governemanta sy ny Fitondrana ny fandriampahalemana eto Madagasikara. « Mihatra aman’aina ny fitandroana ny fandriampahalemana ary kitro ifaharan’ny fampandrosoana », hoy izy nanazava. Antso avo no ataontsika, hoy ny Jly Minisitry ny Fiarovam-pirenena: « Tsy ilaintsika ny fanakorontanana eto amin’ny tany sy ny firenentsika, sy ny fanakorontanana ny mpitandro filaminana. Izay mampisaraka ny mpitandro filaminana dia raisintsika ho toy ny fahavalom-pirenena satria tsy mijery raha tsy ny tombontsoany manokana », raha ny fanambarany. Anjaran’ny mpitandro filaminana ny miaro ny demokrasia eto amin’ny tany sy ny Fanjakana.




