
PolitikaSongadim-baovao
11 FEBROARY 1975-11 FEBROARY 2025 : 50 Taona katroka anio ny nahalavo ny Kly Ratsimandrava
Ny tantara tsy fanadino ! Anisan’ireo mpitantana firenena malagasy nanana ny fijeriny manokana ny Kolonely Ratsimandrava Richard, izay tsy nihevitra ny hitondra andro vitsy monja. Voatendry handray ny fitantanana ny firenena ny tenany, taorian’ny nitondran’ny Jeneraly Ramanantsoa Gabriel (Zokiny indrindra no sady ambony indrindra amin’ireo laharam-boninahitra tao amin’ny tafika malagasy, tamin’ny fotoan’androny. Nandray ny fahefana hitondra ny tany sy ny firenena, ny taona 1972-1975), ary nanana fomba fijery politikam-pampandrosoana miompana amin’ny « Rafitra fiarahamonina ». Ny volana febroary 1975 no nandray ny fitantanana ny firenena avy tamin’ny Jeneraly Ramanantsoa, ny Kolonely Ratsimandrava, hatramin’ny andro namonoana azy teny Ambohijatovo Ambony, andro fahenina taorian’izany, izany hoe ny 11 Febroary 1975. Nanana fahasahiana nitondra « Rafitra politika vaovao », nosokajiana ho rafitry ny fanovana, na « Rafitra fokonolona » ny Jeneraly Ratsimandrava, tamin’ny fotoana nitondrany ny firenena. Anisany foto-kevitra nijoroany, ka niheverany ho tena hampandrosoana ny firenena faran’izay haingana, ny tantsaha sy ny tontolo ambanivohitra, izay fanoitra sy tetika nataony ampinga. Noheveriny mihitsy, aza, fa ny fampandrosoana azy ireo, izay sady maro an’isa hatramin’izao eto amin’ny firenena, no hampitraka ity tanindrazana iombonana ity. Raha ny heviny manokana, dia ilaina ny fanapariahana ny fahefana any amin’ny faritra sy ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana, na ara-politika io na ara-toekarena. Io rafi-piarahamonina miompana amin’ny fokonolona io dia karazana fanapoahana ny fanjakazakana taloha sy ireo vondron-kerin’ny mpanam-bola, izay nanao ampihi-mamba ny fahefana hivondrona eto an-dRenivohitra.
Hisy moa anio ny lanonam-pahatsiarovana ny faha-50 taona nahalavo ny Kolonely Ratsimandrava Richard Filoham-panjakana sy ireo zandary roa lahy niaraka taminy raha izy nihazo ny toeram-podiany iny. Taty aoriana dia natao koa ny datin’ny 11 febroary ho fahatsiarovana ireo mpitandro filaminana rehetra maherifo lavo amperinasa.
Isan’ny nahafantarana ny Kly Ratsimandrava moa ilay fitenenana manao hoe : » Tsy miamboho adidy aho Mon Général ».
Nangonin’i LR.




