PolitikaSongadim-baovao
13 MAI 1972 : 50 taona katroka anio
50 taona lasa. Andro sabotsy, 13 mai 1972. Maizin’ny setroka mainty ny lanitry ny afovoan’Analakely. May kila hotohoton’ny afo ny Lapan’ny tanànan’Antananarivo. Tsy nifankandrenesana ny poa-basy, kiakiaka sy antso antso. Nandriaka ny ra. 45 raha kely indrindra no namoy ny ainy. Nanomboka teo lasa andro manan-tantara ho an’ny firenena Malagasy ny 13 Mey. Kiondalana voalohany teo amin’ny tantaram-pirenena, andro nahataperan’ny fitondran’i Philbert Tsiranana, Malagasy filohan’ny repoblika voalohany taorian’ny vanim-potoan’ny Fanjanahan-tany.
13 Mey 1972. Tsy toy ny andro nahazatra ireo mpitolona io andro io, indrindra ho an’ny teto Antananarivo. Vao maraina dia efa nisamboaravoara ny rehetra. Mpianatra, mpiasam-panjakana, mpiasa avy amin’ny sehatra tsy miankina, na koa tsy an’asa, izay nifanome fotoana teny amin’ny araben’ny fahaleovantena avokoa. Raha ny antontanisa fantatra hatreto dia tafakatra hatramin’ny 100 000 ny isan’ny olona tonga teny. Hitaky ny famotsorana ireo tanora mpianatra mpanao fihetsiketsehana nosamborin’ny mpitandro ny filaminana avy amin’ny FRS sy ny GMP teny Ankatso ny 12 mai ny anton-dia. 395 izy ireo no nosamborina raha ny antontan’isa ofisialy. Nentina tany Nosy Lava natao sesitany. Teo analakely, efa niantrana koa ny mpitandro filaminana avy amin’ny FRS. Ankoatra ireo tety anoloana, nahitana azy ireo koa ny teny amin’ny tafon’ny lapan’ny tanàna. Nafana ny fihetsiketsehana sy fanentanana. Samy nilanja izay sora-baventy nentiny ireo mpandray anjara. Na ny mpiasa na ny mpianatra dia samy nilanja soratra nahafantarana azy ireo. Tampoka teo, nipoaka ny basy. Raikitra ny korontana. Mpanao fihetsiketsehana 45 no namoy ny ainy miampy mpitandro ny filaminana avy amin’ny FRS miisa 7 raha ny tarehimarika nivoaka. Fiara ny mpamonjy voina sy fiara hafa maromaro no hotototon’ny afo. May sy potika koa ny lapan’ny tanànan’Antananarivo.
Hetsiky ny mpianatra. Fitakiana nataon’ny mpianatra notarihin’ireo mpiofana ho mpitsabo tetsy amin’ny sekolin’ny mpitsabo tetsy befelatanana no niatombohan’ny hetsika rehetra tamin’io taona 1972 io. Efa ny 23 janoary no nanomboka nanao hetsika ireo mpianatra ireo raha ny tantara. Fitakiana fanitsiana ara-drafitra mba hanafoanana ny tsy fitoviana nisy teo amin’ny fitondrana ny mpianatra sy ny fanatsarana ny kalitaon’ny fampianarana no nataon’izy ireo tamin’izany. Anisan’ireo notakiana ohatra ny fanambarana ny sekolin’ny mpitsabo tao befelatanana sy ny teny amin’ny oniversite an’Ankatso. Teo koa ny fanamboarana ny rafim-pampianarana mba hiala amin’ny fototra frantsay izay mbola niorenany. Taty aoriana niitatra ny fitakiana. Nanampy ireo ny tena fialana ambany ziongan’ny frantsay sy ny fanitsina ny fifanaraham-piarahamiasa amin’i Frantsa. Io no nantsoin’ny mpaha tantara rehetra hoe fitakiana “fahaleovantena faharoa” na fitakiana ny “tena fahaleovantena”. Tsy azo adinoina mantsy fa tamin’izany dia mbola betsaka ny teratany frantsay tao anatin’ny fitantanan-draharaham-panjakana.
Tsak Tsak Zato Arivo. Tamin’io fotoana io, tsy mbola teto Antananarivo ny filoha Philbert Tsiranana. Ny tolakandron’ny 13 Mey vao tafaverina teto andrenivohitra, avy niala sasatra tany Ranomafana izy, ary avy hatrany dia nikabary tao amin’ny onjam-peom-pirenena. Tamin’izany no nilazany ilay fehezen-teny nanjary tena raiki-tapisaka amin’ny tantaran’ny 13 mai nanao hoe “tsak, tsak, zato, arivo…” Fehezan-teny, izay vao niha-nampitombo ny hatezeran’ny vahoaka tamin’ny filoha Tsiranana tamin’izany ary nahatonga ireo mpanao fihetsiketsehana ho nitaky ny fialany. “Fehezan-teny diso toerana” hoy ny mpandinika, anefa “nitarika tany amin’ny fiafaran’ny fitondran’i Philbert Tsiranana”. Taorian’ny 13 Mey, voatery tsy maintsy namindra ny fahefana feno tamin’ny Jeneraly Ramanantsoa ny Filohan’ny Repoblika voalohany ary nanomboka teo ny tetezamita voalohany teo Madagasikara, izay nitondra antsika nankany amina repoblika faharoa, nirona kokoa tamina foto-kevitra sosialista.
Ny hetsika teo amin’ny araben’ny fahaleovantena anoloan’ny lapan’ny tanànan’Antananarivo, izay niafara tamin’ny fahamaizan’ity farany ny andron’ny 13 mai no nanome ny anaran’io toerana io, na nahatonga azy ho kianjan’ny 13 mai nanomboka ny taona 1972. Nanomboka teo nanjary toerana nanehoan’ny Malagasy ny heviny momba ny raharaham-pirenena ny teo anoloan’ny sisa tsy ravan’ny lapan’ny tanàna. Ny taona 1991, dia teo no niainga ny hetsika notarihin’ny hery velona Rasalama, nitakiana ny fahalalahana sy ny demokrasia. Niainga teo ny vahoaka izay nihazo ny lapan’i Mavoloha ny 10 Aogositra 1991. Taty aoriana, rehefa nanohitra ny fanodinkodinana ny safidim-bahoaka ny kandida Ravalomanana ny taona 2002, dia mbola teo analakely, teo amin’ilay nantsoina hoe kianjan’ny 13 mai, niangonan’ny vahoaka niarovana ny safidim-bahoaka. Ny 2009, teo anatrehan’ny vesatry ny tsy rariny sy ny ampihimamba nataon’ny Mpitondra, dia teo amin’ny kianjan’ny 13 mai ihany no niainga ny “revolisiona volomboasary”. Nanomboka io taona 2009 io koa no nisy indray ny tetezamita teto Madagasikara, izay naharitra dimy taona. Tao anatin’izany no nanarenana indray ny Lapan’ny tanàna izay mbola voatazona amin’ny endriny mandrak’ankehitriny io. Taty amin’ny taona 2018, mbola ny kianjan’ny 13 Mey koa no niaingan’ny hetsiky ny Solombavambahoaka 73 nitakiana ny nanitsiana ny lalàm-pifidianana, ka namelana ny rehetra handray anjara amin’ny fifidianana.




