PolitikaSongadim-baovao

23 APRILY 2025 : Voafaritra ho andro tsy hiasana fa handraisan-karama

Ho fandraisantsika eto Madagasikara ny fihaonana an-tampon’ny Vaomeran’ny Ranomasimbe Indianina dia anisan’ny fanapahan-kevitra noraisina ny hanaovana ny datin’ny 23 aprily ho andro tsy hiasana fa handraisan-karama. Omaly no nivoaka ny didim-panjakana nanamafy nampanankery an’io fanapahan-kevitra io.

Araka ny didim-panjakana laharana 2025- 415 tamin’ny 15 Aprily 2025 dia nofaritan’ny Fanjakana ho andro tsy fiasana nefa andraisan-karama ny 23 aprily izao manerana ny Tanin’ny Repoblikan’i Madagasikara. Omaly no nivoaka ny fampahafantarana izany tamin’ny fomba ofisialy teo amin’ny pejin’ny Minisiteran’ny Asa sy ny Asam-panjakana. Raha tsiahivina, nisy ny fihaonana teo amin’ny Fanjakana, ny solotenan’ireo mpampiasa ary ireo sendikan’ny mpiasa ka anisan’ireo fanapahan-kevitra noraisina tamin’izany ny hanaovana ho andro tsy fiasana fa handraisan-karama ny datin’ny alarobia 23 aprily 2025.

Mifanindran-dalana indrindra amin’ny fandraisantsika ny fihaonana an-tampon’ny Vaomieran’ny Ranomasimbe Indianina (COI) izay hatao ny 24 aprily 2025 moa no anton’io fanapahan-kevitra io. Amin’io datin’ny herin’ny anio io no higadona eto amintsika ny Filoha frantsay Emmanuel Macron. Hisy ny fihaonany amin’ny Filoha Andry Rajoelina eny amin’ny Lapan’Andafiavaratra. Ankoatra azy dia ho avy eto amintsika handray anjara amin’io fivoriambe io ihany koa ny Filoha komorianina Azali Assoumani, ny Filohampirenen’i Seychelles Wavel Ramkalawan, ary ny Praiminisitra maorisianina Dr Navinchandra Ramgoolam. Heverina ho noho ny fandrindrana ny fifamoivoizana sy fikajiana ny filaminan’ny tanàna, noho izany, no antony handraisana ireo fepetra ireo.

Ny Fanoratana.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer