PolitikaSongadim-baovao

24 ANDRO MIALOHAN’NY FIFIDIANANA : Miroso ny fikarakarana, manohy fampielezan-kevitra ireo Kandidà

Tsy miova ny daty fa ny 16 novambra 2023 izao no hanatanterahana ny fihodinana voalohany amin’ny fifidianana Filoham-pirenena eto Madagasikara. Miroso tanteraka ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana (Ceni) amin’ny fikarakarana. Manohy hatrany ny fampielezan-keviny kosa ireo kandidà samihafa, na dia misy ampahany amin’ireo kandidà aza mbola tsy vonona hiroso amin’izany, izay tsy manakana velively ny zotram-pifidianana.

Kandidà miisa telo hatreto no efa miseho amin’ny fomba ofisialy fa manao fampielezan-kevitra. Voalohany amin’izany ny Kandidà laharana fahatelo, Andry Rajoelina, izay efa naneho fahavononana hatrany am-boalohan’ny fampielezan-kevitra, ka nanohy tsy tapaka ny fitetezam-paritra. Ny faran’ny herinandro, tao amin’ny Renivohitry ny Faritra Boeny no nandehanany, izay nahavoriana vahoaka marobe. Ho an’ity anio ity dia fantatra hihazo ny Faritra Itasy iny indray ny tenany, ka ao Analavory  sy ao Soavinandriana no hanaovany fihaonana amin’ny vahoaka.

Ankoatra izay, isan’ireo mpirotsa-kofidiana niditra tao anatin’izay fanaovana fampielezan-kevitra izay ihany koa ny kandidà laharana faha-11, Raderanirina Sendrison. Farany teo dia tany amin’ny Faritanin’i Fianarantsoa iny ny tenany no nandresy lahatra ny olom-pirenena hifidy azy. Etsy ankilany, nanomboka ny faran’ny herinandro teo ihany koa dia niroso tao anatin’izay fanaovana fampielezan-kevitra izay ny Kandidà laharana faha-13, Siteny Randrianasoloniaiko. Tao Vohémar no nanokafany izany tamin’ny fomba ofisialy. Midika ireo rehetra ireo fa anatin’ny fifaninanana amin’ny fifidianana Filoham-pirenena tanteraka isika eto Madagasikara, ary mampitombona ihany koa ny fisian’ny fifidianana, na dia misy aza ireo Kandidà sasany izay mivoy fa tokony hahemotra ny fifidianana noho ny antony maro samihafa.

Fampiofanana ataon’ny Ceni

Ho an’ny eo anivon’ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana (Ceni), ankoatra ny fizarana ny karatry ny mpifidy, dia mandeha ihany koa ankehitriny ny fampiofanana ataon’izy ireo mikasika ny fampandehanana ny Biraom-pifidianana sy ny fikirakirana ny voka-pifidianana. Ho an’ny tao Mahajanga dia nosokafana tamin’ny fomba ofisialy izany, tamin’ny alalan’ny Filohan’ny Ceni, Dama Arsène Andrianarisedo, sy mpikambana roa avy ao amin’ny Birao maharitra. Isan’ny misitraka ny fampiofanana ireo mpampiofana ny mpikirakira fifidianana ifotony, ahitana ny rantsamangaikan’ny Ceni eny anivon’ny faritany, Faritra ary Distrika. Eo koa ireo tomponandraikitry ny fikirakirana ara-kajimirindra, ary ireo Filohan’ny sampana mpanisa vato isaky ny distrika (SRMV: Section de recensement des matériels de vote).

Fehiny, miroso i Madagasikara amin’ny zotram-pifidianana. Ary manohana sy manara-maso akaiky izany ny eo amin’ny sehatra iraisampirenena.

Fermer