KolontsainaSongadim-baovao

25 TAONA NIAKARANA AN-TSEHATRA : Hifanome fotoana etsy amin’ny « Palais des Sports » i Tovo Jhay sy ny mpankafy

“Te mba ho”, “Teny mamy”, “Fihintananao”, “Angolanao”, … ampahany amin’ireo hira tsy afaka ambavan’ny maro ireo rehefa i Tovo Jhay no resaka. Mpifankatia maro no natambatry ny hiran’i Tovo Jhay, ary tsy vitsy ihany koa ireo misafidy ny hirany anaovana « ouverture » na fanokafana mariazy. Feno 25 taona amin’ity 2025 ity ny niakaran’i Tovo Jhay sehatra. Homarihina amin’ny fomba miavaka sy goavana izany, araka ny fampahafantarana omaly tetsy amin’ny Akoor Digue.

Etsy amin’ny Lapan’ny Fanatanjahantena sy ny Kolontsaina Mahamasina, araka izany, no hifanome fotoana miaraka amin’ireo mpankafy azy i Tovo Jhay, ny Alahady 10 Aogositra 2025 izao, manomboka amin’ny 03ora tolak’andro. « Maro ireo zavatra nanamarika nandritra izay 25 taona izay. Hotaterinay an-kira mandritra io seho lehibe io izany rehetra izany… », hoy i Tovo Jhay, nandritra ny fihaonana tamin’ny mpanao gazety omaly.

Karazana « surprises » maro no ho hitan’ny mpankafy mandritra ny seho, na eo amin’ny mpanakanto vahiny nasaina manokana izany, na eo amin’ny fitendrena. Nilaza kosa i Faniry, avy amin’ny Grace Event, fa ho matihanina tanteraka ny fikarakarana iarahana amin’ireo mpiara-miasa isan-tsokajiny. Tafiditra indrindra ao anatin’izay fiarahamiasan’ny Grace Event sy i Tovo Jhay izay moa dia hisy rakitsary vaovao be hivoaka ato ho ato, araka ny fanazavana hatrany.

Marihina fa rakikira 8 no novokarin’ny Tarika Tovo Jhay nandritra izay 25 taona izay, ary ho ezahina velomina indray mandritra ny seho haharitra adin’ny 3 etsy amin’ny Lapan’ny Fanatanjahantena sy ny Kolontsaina.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer