PolitikaSongadim-baovao
7 FEBROARY 2009 – 12 TAONA ATY AORIANA: Efa nampamono olona, mbola mikasa hanao sorona indray ?
Nisehoana hetsi-bahoaka ny 7 febroary 2009, rehefa leo ny ampihimamba sy ny jadona tamin’ny andron-dRavalomanana, teto amin’ny Firenena ny vahoaka. Vono olona sy ra mandriaka no setrin’izany… 12 taona aty aoriana, mbola mangetaheta fahefana ilay mpitondra naloam-bahoaka, ka mikendry sy mbola mikasa hanao sorona ny mpiray tanindrazana aminy ?
Raha tsiahivina ny tantara, nitroatra ny vahoaka, ny 26 janoary 2009, rehefa leo ny ampihimamba sy ny jadona nataon-dRavalo nandritra ny 7 taona. Norobain’olona ny Magro sy ny Tiko, tezitra mafy Ravalomanana satria tsy zakany ny nikitikitika ny fananany, navelany norobaina daholo ny tranombarotra hafa teto an-drenivohitra. Tsy zakany ny nahavery ny fananany ka nahavita namoaka teny tsy voahevitra izy, tamin’ireo mpiara-miasa akaiky taminy, fa ho aripany daholo ny Malagasy teto Antananarivo. Izay no antony nanomezany baiko tsy hihetsehan’ny miaramila, ny alin’ny 26 janoary sy hitifitra ny vahoaka ny 7 febroary, niainga teny Ambohitsorohitra. Raha tsiahivina koa, tsy maty voalavo an-kibo mihitsy izy taorian’izay ka na dia efa nanao sesitany ny tenany aza izy, dia niteny mihitsy tamin’ny SADC, notarihin’i Robert Mugabe tamin’izany hoe, andao andefasana ny Tafiky ny SADC dia tafihana i Madagasikara. Famadihana tanindrazana goavana, na « haute trahison » no nataony tamin’izany. Ny baiko nalefany tamin’izany dia hoe, tsy maintsy vonoina ny Filoha Rajoelina, mba hahafahany miverina eo amin’ny fitondrana. Niatrika fifidianana indray izy tamin’ny 2018, saingy rehefa resy izy dia nanaparitaka atsanga tsy aman’orana hoe, nisy hosoka, nisy « doublon », sns nefa fifidianana nazava, nisy Mpanaramaso iraisam-pirenena ary nanaiky ny vokatra ny Fianakaviambe iraisam-pirenena. Nilaza izy ireo, fa tsy nisy fiantraikany tamin’ny fahadiovan’ny fifidianana mihitsy ny tsy fahatomombanana tamin’ny fikarakarana.
Mamerina ny fomba fanaony Ravalomanana
Ankehitriny, mitady ny fomba rehetra hanonganana ny mpitondra izy, ka mikasa hampisy korontana sy ra mandriaka, amin’ny 6 febroary ho avy izao. Mody hoe fitsangantsanganana indray no hamoriana olona, saingy fomba entina hamitahana ihany io, satria ny tanjon’izy ireo dia hidina eny amin’ny 13 Mey ary handroba Tranombarotra indray sy hampifandona ny vahoaka amin’ny mpitandro filaminana ka hampisy olona maratra sy maty mihitsy. Mila mailo, satria mitovy tanteraka ny fomba natao, tamin’ny 2009 dia ny nanakarama mersenera avy tatsy Afrika Atsimo Ravalomanana nampidinina teny amin’ny 13 Mey, handripaka ny vahoaka mpitolona. Ny zavatra hataony amin’ny 6 febroary izao, dia manakarama « Gros bras » maro izy, hampidirina any anaty vahoaka, dia ireo vahoaka antsoiny hoe hanao fitsangantsanganana ihany, dia hanao izay handripahana olona indray tahaka ny tamin’ny 2009 mihitsy. Fehiny, tsy mila sorona intsony, efa leo korontana ny vahoaka ka tsy hanaiky izany teti-dratsy izany intsony. Efa tamin’ny taona 2002, Ravalomanana no nanao hazalambo, hatramin’izao ve dia mbola mitetika hanao sorona sy hamono olona noho ny fitiavan-tseza sy fahefana ihany?
Ny Fanoratana



