Songadim-baovaoTrangam-piaraha-monina
RAHARAHA FANAPAHAN-DOHA : Olona fito nosamborina, Depiote iray voatonontonona
Nitrangana famonoana olona narahina fanapahan-doha tao Atatatra, kaominina ambanivohitra Ranotsara Nord, ny alin’ny 26 hifoha 27 novambra lasa teo, ka nahafaty lehilahy iray. Tsy hita ny lohan’ny niharam-boina ary very tamin’izany koa ny findainy misy « puce » miisa roa. Araka ny tatitra nataon’ny sefo fokontany tany an-toerana sy Soamandroso, nisy fiara 4×4 mainty nisy Ramatoa mena volo nandalo tao an-toerana ahiahina mafy amin’io raharaha io. Vokatry ny fanadihadiana izay niainga tamin’ny alalan’ny fikarohana ny findain’ny maty, fantatra fa nisy vehivavy nampiasa io findain’ny maty io, roa andro taorian’ny nahafatesany, izay hita fa any amin’ny faritra Iakora araka ny fitsirihana izay natao. Rehefa natao ny vela-pandrika dia azo io vehivavy io, ary nanondro fa ny anadahiny no mampiasa io selapita na « puce » io. Ity farany indray no nanonona olona nampiasa ny findain’ny maty. Tafakatra fito ireo olona voarohirohy tamin’ity raharaha ity. Isan’ireo voarohirohy ny sipan’Itompokolahy. Mbola hita nifandray tamin’ny findain’’Itompokolahy, taorian’ny nahafatesany, izany hoe, tamin’ireo olon-dratsy izany. Ahiahina ho nahavita na niray tsikombakomba amin’izao raharaha fanapahan-doha izao izy fito ireo Nisy tamin’izy ireo no niakatra fampanoavana omaly tao Ihosy.
Mbola eo andalam-pitadiavana ilay madama voalaza fa mena volo tao anaty 4×4 mainty sy io fiara io, ny miandraikitra ity raharaha ity. Tsara ho marihina fa ny 17 desambra lasa teo, dia nisy ny famoahana « soit transmis » mitondra fitoriana nataona solombavambahoaka voafidy tao Iakora, ny fampanoavana tao Ihosy, izay mitory olona roa dia i M. Dolph fantatra amin’ny anarana hoe i Frely sy Mahasoa ho nanala baraka azy sy ny mpiara-dia aminy tamin’io raharaha fanapahan-doha io. I Frely moa dia vao voafidy ho ben’ny tanànan’ny kaominina Ranotsara Nord, tamin’ny fifidianana farany teo, araka ny vokatra vonjimaika. Misokatra koa ny fanadihadiana mikasika io fitoriana io.
Ny Fanoratana.




