Songadim-baovaoTrangam-piaraha-monina
HERISETRA SY FANARARAOTANA ARA-NOFO: Renim-pianakaviana iray nampanao horonantsary mamoafady ny zanany vao 06 taona monja
Renim-pianakaviana iray no tratra nampanao horonantsary mamoafady ny zanany vao 06 taona monja. Vokatry ny fiaraha-miasan'ny sampandraharahan’ny Polisin'ny ady atao an'habaka (Cybercriminalité) Anosy sy ny Polisy Amerikana avy ao amin’ny FBI (Federal Bureau of Investigation) no nahafahana nisambotra ity renim-pianakaviana ity, noho ny fisiana lehilahy mandray ilay horonantsary mamoafady any ivelany.
Mitady hahazo vahana ny herisetra sy fanararaotana ara-nofo atao amin’ny zaza tsy ampy taona. Tsy mihemotra amin’ny ady atao manoloana izany anefa, ny Polisim-pirenena. Renim-pianakaviana iray no tratra nampanao horonantsary mamoafady ny zanany vao 06 taona monja. Vokatry ny fiaraha-miasan’ny sampandraharahan’ny Polisin’ny ady atao an’habaka (Cybercriminalité) Anosy sy ny Polisy Amerikana avy ao amin’ny FBI (Federal Bureau of Investigation) no nahafahana nisambotra ity renim-pianakaviana ity, noho ny fisiana lehilahy mandray ilay horonantsary mamoafady any ivelany. Io farany moa, izay fantatra fa efa vaosambotry ny « FBI » any Etazonia. Marihina fa saika ny firenen-drehetra maneran-tany mihitsy amin’izao no miady amin’ny fanararaotana ara-nofo atao an’habaka mianjady amin’ny ankizy (Pédopornographie, abus et exploitation sexuels d’enfants en ligne) ka mahatonga izao fiaraha-mientana amin’ny Mpitandro filaminana any ivelany izao. Raha ity tranga nisy lazaina etoana ity, dia alain-dreniny sary ny zanany vavy kely 06 taona io ary amidiny amin’ny vahiny ny horonantsary mamoafady avy eo. Ankoatr’izay dia voalaza ihany koa, fa nanomboka tamin’ny taona 2022 no nanaovany izany fihetsika voararan’ny lalàna izany. Voasambotry ny Polisimpirenena avy ao amin’ny Sampana miady amin’ny heloka an’habaka na ny Anosy (SCLCC) moa ity vehivavy ity, ny Alakamisy lasa teo, ary notànana hatao fanadihadiana.
Misy ny lalàna mifehy…
Raha ny lalàna velona eto amintsika dia mampahatsiahy (Laharana 2014-006) ao amin’ny andininy faha 22, izay mifehy ny heloka an’habaka mikasika ny fandefasana sary sy horonan-tsary tsy mendrika an-tambajotran-tserasera. Io dia milaza mazava, fa « Ny fanaovana horonan-tsary manana endrika mamoafady mampiseho an-tsehatra ankizy ny fampisehoana amin’ny fomba rehetra, ankizy manao fihetsiketsehana momba ny firaisana ara-nofo mivantana, tena izy na miafina, na izay rehetra fampisehoana ireo taovam-pilahiana na fivavian’ankizy iray, izay manana tanjona filāna ara-nofo dia sazian’ny lalana 02 hatramin’ny 05 taona an-tranomaizina, miampy fandoavana onitra 2 000 000 ka hatramin’ny 10 000 0000 Ariary. Raha ny fanadihadiana natao, dia fantatra fa efa nisy hatramin’izay ny ray aman-dreny mivaro-janaka. Misy faritra aza eto amintsika vao manomboka tonga fadim-bolana ny zazavavy dia hanaovana trano mitokana dia afaka manao ny fiainany ao. Fa ankehitriny kosa, dia efa lasa miitatra manaraka ny firoborobon’ny teknolojia sy ny fivoarany ka manjary mari no tsy mahafehy azy. Eo indrindra no antony nahatonga ny Mpanao lalàna namorona amin’ny lalin-dalina kokoa ny lalàna mifehy ny heloka mamoafady, fa indrindra ny herisetra ara-nofo atao amin’ny Zaza sy ankizy tsy ampy taona. Anisan’izany ny famosirana ireo meloka efa namoahana didy fampiharana. Amin’ity tranga iray voalaza eto etsy ambony ity moa, dia fantatra, fa noho ny fananany fitaovana manara-penitra hahafahany miara-miasa amin’ny Mpitandro filaminana any ivelany toy ny « Interpol » sy ny « FBI » fa indrindra ny fifandraisana ara-piaraha-miasa eo amin’ny samy firenena miady amin’ity karazana heloka an’habaka ity, no anisany nahazoana izao vokatra izao.
Stan R.




