Songadim-baovaoTrangam-piaraha-monina
RAVAN’NY POLISY NY FIKAMBANAN-JIOLAHY “B-13”: Enin-dahy lavon’ny bala tao Toamasina, olona roa hafa voasambotra
Nipoapoaka ny basy tao Toamasina ny alin’ny Alakamisy 20 martsa lasa teo. Jiolahy miisa 06 no indray lavon’ny balan’ny Polisy tamin’izany. Nisy olona 02 hafa voasambotra ary miatrika fanadihadiana amin’izao fotoana. Tambazotra efa mpanao karazana fanafihana mitam-piadiana sy mpandrava mpaka vola amin’ny banky ity ravan’ny Polisy ity…
Tambazotran-jiolahy na fikambanan-jiolahy manana anarana “B-13” mpanao fanafihana mitam-piadiana sy mpandrava ireo olona mpaka vola amin’ny banky no ravan’ny Polisim-pirenena tao Toamasina, ny alin’ny alakamisy teo. Angom-baovao avy aman’olona tsara sitra-po no nahafantaran’ny mpitandro filaminana, fa mikononkonona hanao fanafihana ao Toamasina indray ny fikambanan-jiolahy antsoina hoe « B-13 ». Nametraka paikady avy hatrany ny Polisim-pirenena miasa ao amin’ny Fitaleavam-paritry ny Filaminam-bahoaka Atsinanana, mba hahafahana misambotra ireo jiolahy. Vantany vao nahita ny Polisy anefa, ireto olon-dratsy, dia nitifitra avy hatrany no nasetrin’izy ireo ka raikitra teo ny fifandonana. Tamin’izany no nahalavo ny jiolahy miisa 06. Basy poleta 01 nahitana bala miisa 06, miampy famaky 02 sy fitaovana maranitra samihafa, ary kodiaran-droa miisa 02 izay nokasaina entina manafika tamin’io alin’ny alakamisy teo io. Ity basy voalaza eto ity, dia fantatra, fa ana Polisy lavon’ny jiolahy nandritra ny fanafihana tobin-tsolika “Shell” tao Ambohijafy Toamasina ny volana Aogositra 2022, nentin’izy ireo nanao ny asa ratsiny, ary izao hita teny amin’ireo jiolahy lavo izao. Ankoatr’ireo jiolahy lavo, dia nisy koa olona voasambotry ny Mpitandro filaminana tao anatin’ity raharaha ity, dia vehivavy iray mpanao asa fanadiovana ao amina banky iray, voalaza fa mpanome vaovao (informations) mikasika ny olona maka vola. Ny iray kosa lehilahy mpandray ny antso avy aminy, raha ny fampitam-baovao hatrany.
Fanafihana maro tany aloha
Ity fikambanan-jiolahy « B-13 » ity no tompon’antoka tamin’ny asa fanafihana mitam-piadiana ny volana aogositra 2022 teny amin’ny Shell Ambohijafy izay nahafatesana Polisy iray, ny 07 septrambra 2024 teny Tanambao I, ny fanafihana mpamongady ny 13 martsa 2025 tao Ankirihiry, ny fanafihana banky BOA Augagneur, nahafatesana mpiasan’ny fonja iray. Ankoatr’ireo dia “cash point” maromaro ihany koa no efa lasibatr’ity fikambanan-jiolahy iray ity sy efa nahazoan’izy ireo vola an-tapitrisa maro. Tsy mijanona eo ny fanadihadiana ataon’ny Polisimpirenena hikarohana izay jiolahy mbola anatin’ny « B-13 » ka miery any anaty fiarahamonina rehetra any. Andanin’izany, ny Lehiben’ny Fampanoavana eo anivon’ny Fitsarana Ambaratonga voalohany ao Toamasina, Andriamatoa Vahiny Yvi Sandro, sy ny Talem-paritry ny Filaminam-bahoaka ao Toamasina, ny Commissaire Principal de Police Rakotovao Christian, dia samy nanamafy fa “Toamasina mandry fahalemana, vahoaka tsy manana ahiahy anaty filaminana” no tanjon’izy ireo, ka tsy hanavahana fa rehefa voaporofo fa mpanao ratsy dia tsy maintsy mandray ny valin’asany. Araka izany, tsy mikely soroka manoloana ny ady amin’ny tsy fampandriam-pahalemana mikasika ny asan-jiolahy ao Toamasina ny Mpitandro filaminana ao an-toerana, izay ahitana ny Polisim-pirenena. Taorian’ny raharaha vono olona farany tao iny, izay nahasamborana lehilahy miisa roa sy nanaovana am-ponja vonjimaika ireo olon-dratsy, dia manamafy ny fampandriana fahalemana ao an-dRenivohitry ny Faritra Atsinanana ity ny eo anivon’ny “Force de Défense et de Sécurité” (FDS) ao an-toerana, izay ifarimbonan’ny Polisy sy Zandary ary ny Tafika malagasy.
Stan R.




