PolitikaSongadim-baovao
FAHA-78 TAON’NY TOLOM-PANAFAHAN’NY 1947 : Hanomezan-danja ny fanilo miampita ho an’ny taranaka
Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy tetsy amin’ny Kianja Barea Mahamasina ny hetsi-pahatsiarovana ny faha-78 taonan’ny tolom-panafahana tamin’ny 29 Marsa 1947. Nanokatra izany ny Minisitry ny Foloalindahy sady Filoham-boninahitry ny komity teknika mpanomana ny hetsi-pahatsiarovana ny 29 Marsa, ny Jeneraly Sahivelo Lala Monja Delphin. Ny tarakevitry ity faha-78 taonan’ny tolo-panafahana 29 Marsa 1947 ity dia ny hoe : « Tolom-panafahana : fanilo miampita ho an’ny taranaka ». Ny Fitondram-panjakana dia manome lanja ny fitohizan’ny tantara miampita amin’izao vaninandro iainantsika izao, amin’ny alalan’ny hetsika samihafa. Nifanindran-dalana tamin’izao koa, ny fanokafana omaly, teo amin’ny kianjan’ny Barea, ny hetsika fampirantiana ny tantara mirakitra ny tolom-panafahana 1947, sy ny fizaham-pahasalamana maimaimpoana ho an’ny Mpiady tia tanindrazana sy ireo Zokiolona mihoatra ny 65 taona. Hisy koa ny fanompoam-pivavahana ho fanomezam-boninahitra an’Andriamanitra, izay hatao ao amin’ny Fiangonana Advantista Soamanandrariny, ny Sabotsy 22 Marsa 2025, sy ny fotoam-pivavahana iraisam-pinoana, izay hotanterahina ao amin’ny Katedraly Katolika Andohalo, ny alahady 23 Marsa 2025. Toy ny isan-taona, ny andron’ny 29 Marsa 2025 no ivon’ny fahatsiarovana, amin’ny alalan’ny fametrahana fehezam-boninkazo eny amin’ny Fasan’ireo Maherifo sy fanehoana ny afo tsy maty. Ho an’ny ao Moramanga manokana, hotokanana ny 29 Marsa izao ny « Akany Fiadanantsoa », izay trano natao andraisana ireo Mpiady tia tanindrazana.
Fiahiana ireo mpiady tia tanindrazana…
Manatontosa ny adidiny manokana amin’ny fiahiana ireo mpiady tia tanindrazana mbola velon’aina, ny Fitondram-panjakana. Misy ny fanomezana fisotroan-dronono mandra-maty azy ireo, sy ny fiahiana ara-pahasalamana sy ara-tsosialy samihafa. Tanjona kendrena amin’ny hetsi-pahatsiarovana ny 29 Marsa 1947 ity ny « fanairana ny hambom-po sy ny fitiavan-tanindrazana ary fanomezam-boninahitra ireo mpiady tia tanindrazana, izay nitolona ho an’ny fahaleovantenan’i Madagasikara », hoy ny Minisitry ny Foloalindahy, ny Jeneraly Sahivelo Lala Monja Delphin nandritra ny lahateniny. Tsiahivina fa ankoatra an’Antananarivo, Manakara ary Moramanga izay ivon’ny fanamarihana dia hisy ny hetsi-pahatsiarovana ny faha-78 taonan’ny tolo-panafahana 29 Marsa 1947 any amin’ireo distrika rehetra manerana ny Nosy. Tiana ny manamarika fa notronin’ny Lehiben’ny Etamazaoron’ireo Tafika, ny Jeneraly Deramasinjaka Manantsoa Rakotoarivelo, ny Komandin’ny Zandarimariam-pirenena, ny Jeneraly Rakotomalala Andriatahiana Jean Herbert, ny Tale Jeneralin’ny Polisim-pirenena, ny Contrôleur Général de Police Rakotozanany Dany Marius, ireo tomponandraikitra ambony sivily sy miaramila, ary ireo ankizy mpianatra taninketsan’ny Fanilo miampita ny fotoam-panokafana tamin’ny fomba ofisialy omaly.
Rado Harivelo




