Songadim-baovaoSosialy

FANOMEZAN-DANJA NY FAMPIANARANA : Notokanana ny fanavaozana ny CEG Dango ao Faratsiho

Tany amin’ny taona 2015 no nitsiry ny hevitra teo amin’ireo Ray aman-dRenin’ny mpianatra tao Dango tamin’izany fotoana fa hampianatra ny zanany izay afaka CEPE ao Dango ihany. Lavitra loatra mantsy Faratsiho. Lasa tsy tafody isan’andro ny ankizy. Olana koa ny fanofana trano. Araka izany, natomboka ny fampianarana ireo afaka CEPE teo Dango, ka trano nofaina no niatombohan’izany. Mpampianatra nokaramain’ny Ray aman-dreny no nampianatra tao an-toerana.

Ny taona 2020 no nahazo toerana ny CEG ao Dango. Isan-taona dia manao ezaka fanorenana ny sekoly, saingy mbola lavitr’ezaka izany. Nisy fotoana aza tena lany tanteraka ny teo am-pelatanana ka voatery nitady fanampiana, araka ny nambaran’ny Talen’ny CEG Dango. “Ny taona 2024 dia nihaona tamin-dRamatoa Lalatiana Rakotondrazafy izahay. Izy no nanolotra fampitaovana nahafahana namita hatramin’ny farany ny sekoly, toy ny simenitra ,hazo, loko, fanitso sy ny sisa”, hoy hatrany ny Talen-tsekoly. Ankehitriny, vita ary notokanana ny CEG Dango, izay ahitana efitra efatra sy ny biraon’ny tale iray.

Nitarika ny lanonam-panokanana ity fotodrafitrasa ity tany an-toerana moa ny Loholon’i Madagasikara, Lalatiana Henriette Rakotondrazafy. Nambarany tao anatin’ny lahateniny fa hampihenan’ny tahan’ny fialana andaharana an-tsekoly ny fahavitan’izao fotodrafitrasa izao, satria tsy voatery handeha lavitra intsony ireo mpianatra afaka CEPE vao mahita CEG fa efa eo an-tanàna ihany. Ny tenany izay nanentana ireo Ray aman-dRenin’ny mpianatra mba handefa ny zanak’izy ireo an-tsekoly. Tsara ho fantatra fa ankoatra ny famitana ny fotodrafitrasa dia mbola nanolotra dabilio ho an’ny sekoly ihany koa ny Loholona.

Nandritra ny tontolo andron’ny omaly koa moa no nanatanterahana ny hetsika Tagnamaro andron’ny olom-pirenena izay nanavaozana ny EPP ao Dango ihany koa. Hafatra napetraky ny Loholona Lalatiana Rakotondrazafy hatrany moa ny mba hahaizan’ny rehetra mikojakoja ireny fotodrafitrasa nasiam-panamboarana ireny.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer