PolitikaSongadim-baovao
OLOBE AO TOLIARA : Manameloka ny fihetsika rehetra enti-manakana ny tetikasa « Base Toliara »
Nisy andian’olona nikasa hanakana ny tetikasa Base Toliara, omaly, tao Andaboy Toliara. Ireto farany, izay fantatra, fa andian’olona diso lalana, satria tsy nieritreritra izay tombontsoa iombonana fa jamban’ny fankahalana fotsiny avy amin’ny hevi-dison’ny mpanohitra ny tetikasa, dia ireo olom-bitsy manohitra izao fitondram-panjakana mijoro namerina indray ny tetikasa hisian’ny asa ho an’ny vahoakan’i Toliara izao. Nijoro naneho ny alahelony, araka izany, ireo Olobe vitsivitsy tao an-tanànan’i Toliara, manoloana ity fikasana hanakantsakana ny tetikasa ao Andaboy ity. Anisan’izany ny Filohan’ny hazomanga Vezo, Leondisme Mandrereke, izay nanamafy, fa maro ny tanora tsy an’asa ka antony namerenana indray ny fisokafan’ny tetikasa, saingy misy andian’olo maromaro misakana ny hisian’izany, amin’ny alalan’ny tsy famelana ny tetikasa eo Andaboy, izay manamorona ny ranomasina. Tsy tokony hanaiky hatao fitaovana politika toy izao ny mponin’i Toliara, hoy izy, satria orinasa hanome tombontsoa fa tsy fahafatesana araka ny voizin’ny sasany. Ny tetikasa, aza, mamatsy fitaovana ho an’ireo mpiandriaka manjono ao Andaboy io, raha ny fantatra. Ireo Olobe, izay miantso ny Fitondram-panjakana handray fepetra amin’ireo olom-bitsy mitady hanakana ny tetikasa, satria mazava, fa ny fitadiavan’ny fanjakana ny tombontsoam-bahoaka no antom-pamerenana ny tetikasa. Manameloka io fihetsika maneho tsy fahafaliana io, araka izany, ny Olobe ao an-toerana. Ny hazomangan’ny firenena, Mandaso Marin, an-kilan’izany izay nilaza, fa tsy ny olona vao mahay politika taty aoriana no hahalala ny tantaran’i Toliara sy ny niforonany. Maro ny foko avy amin’ny lafy valon’ny Nosy no miaina sy mivelona ao Vezo, iantsoan’izy ireo firaisan-kina hanomezana tanana ny fanjakana handray andraikitra amin’ny fanamafisana ny fametrahana io tetikasa hamelona vahoaka io. “Lova iraisana i Toliara ka aleo ny tombontsoa iraisana no iombonana sy tohanana fa tsy hasiana sakana”, hoy izy. Farany nambaran’Andriamatoa Roberval, fa tokony hajaina ireo tsy manan’asa, fa ny resaka politika aleo ho an’ny politika. Tsy tokony hisy intsony famitaham-bahoaka amin’ity resaka “Base” ity, hoy izy, ary ny mpitandro filaminana dia manana andraikitra hametraka filaminana, fa ny olom-bitsy mpanohitra ambadik’ireny zava-misy ireny no mila handraisana fepetra. Farany, nambaran’ity farany, fa fanakorontanana filaminam-bahoaka ny tsy fangalana alalana amin’ny Prefe, raha hivorivory tahak’ireny. Aminy dia tsotra, mahasoa sy mampiabo ny toekarem-pirenena ny fampiasana fitrandrahana goavana tahaka itony ka tsy tokony sakanana.
S.R




