PolitikaSongadim-baovao
HALATRA JIRO SY RANO: Tsy haverina intsony ny famatsiana ho an’ireo izay tratra
Entitra ny orinasa Jirama manoloana ireo fampiasana tsy ara-dalàna ny tolotr’izy ireo. Na eo amin’ny lafiny jiro izany, na ny rano. Ny fisian’ireo fampiasana tsy ara-dalàna ireo dia miteraka fatiantoka goavana ho an’ny orinasa. Mitarika ny faharatsian’ireo tolotra omen’ny orinasa Jirama ho an’ny mpanjifa ihany koa.
Mitohy hatrany, araka izany, ny fikarohan’ny Jirama ireo izay mety ho fampiasana tsy ara-dalàna ny tolotr’izy ireo. Nahitam-bokatra izany ka nisy ny tranga tra-tehaka tamin’ny herinandro lasa teo. Sarona ny fampidiran-drano tsy ara-dalàna tamina trano iray, miainga avy amin’ny paompin’ny daholobe. Mbola mamatsy trano miisa 30 hafa indray io trano io rehefa avy eo.
Niantso vaditany ny Jirama mba hanamarina ny zava-misy. Notapahana avy hatrany ny famatsian-drano tao amin’io toerana io. “Entitra izahay manoloana izao tranga izao”, hoy ny fampahafantaran’ny Jirama. Fepetra noraisin’izy ireo ny tsy famerenana intsony ny famatsian-drano fisotro madio ao amin’io tokantrano io. Tsy ho azy irery ihany anefa. Voakasik’io fanapahan-kevitra io avokoa izay mety ho tsy fanarahan-dalàna rehetra amin’ny fisitrahana rano sy jiro. Miantso ny olom-pirenena tsirairay mba hiara-hizza amin’ny fitorohana ireo tranga tsy fanarahan-dalàna ireo ny Jirama.
S.S



