Songadim-baovaoSosialy

FIAKARAN-DRANO NITERAKA FAHAVAKISANA FEFILOHA: Olona 03 maty, 9 761 traboina, trano 06 rava tanteraka

Manoloana ny rotsak’orana be teto amin’ny Faritra Analamanga, izay niteraka fahavakisan’ny dobon-drano tao Sandandrano Ambohijanaka sy ny Fefiloha tao Ambohimangidy Ampitatafika, dia nahitana akony goavana tamin’ny fiainan’ny mponina ao Atsimondrano izany amin’izao fotoana. Namoaka antontanisa ny eo anivon’ny BNGRC, omaly tamin’ny 04 ora hariva…

Fantatra vokatr’ity fiakaran-drano nitera-doza ity, fa distrika 03 ary kaominina 06 no voakasik’izany teto Analamanga, izay nisiana tondra-drano be nanomboka ny 22 martsa lasa teo iny ka hatramin’ny omaly 24 martsa. Olona 03 no maty, tao Ambohijanaka ny roa, izay fantatra, fa ankizikely lasan’ny rano, saingy efa hita ny nofo mangatsiakan’izy ireo. 01 tao Ampitatafika, izay tsy mbola voafaritra mazava ny antom-pahafatesan’ity farany. Tsy nisy olona tsy hita popoka aloha hatreto, torak’izay ny naratra. Hatramin’ny omaly hariva voalaza io, dia efa tafakatra 9 761 ny olona traboina, na tokantrano 2 762 vokatr’ity tranga ity. Ny ao Antananarivo Atsimondrano no maro an’isa traboina, mahatratra 8 310 na tokantrano 2 338. Miisa 761 ny ao Antananarivo IV, 680 Antananarivo I, ary 10 Antananarivo II. Hatramin’ny omaly hariva io ihany, dia efa hatramin’ny 5 626 na tokantrano 1 731 ireo olona nafindra toerana azo antoka amina “sites” 08 amin’izao fotoana, ka ny ao Atsimondrano hatrany no maro an’isa amin’izany, miisa 4 185. Lafiny fotodrafitrasa dia goavana, satria trano 2 223 no dibodrano, 06 simba tanteraka.

Fahamailoana amin’ny fiakaran-drano…

Ny marain’ny alahady 23 martsa lasa teo no vaky ny toho-drano tao amin’ny Sandandrano Ambohijanaka, izay niteraka fiakadran-drano tamina kaominina sy fokontany maro tao Atsimondrano, raha omaly vao maraina tamin’ny 03 ora sy sasany ihany koa, no fantatra fa vaky ny Fefilohan’i Sisaony eo Ambohidava, Fokontany Ambohimangidy Ampitatafika. Nohon’ny fiakaran-dranobe, dia trano maro no safotra sy nianjera, araka ny antontanisa voalaza. Niteraka fikorontanan’ny andavanandron’ny mponina maro izany, fa indrindra ny tao Atsimondrano, ary naato hatramin’ny fampianarana tao amin’ny Fari-piadidiam-pampianarana ao an-toerana. Nahazo filazana loza mitatao amin’ny fiakaran-drano tamin’izany ireo kaominina maro eto Antananarivo sy ny manodidina, nanomboka ny sabotsy 22 lasa teo, ka hatramin’ny alahady 23 martsa, izay navoakan’ny APIPA, dia ny ao Tsiafahy, Androhibe Antsahadinta, Bongatsara, Antanetilby Ambohijoky, Alatsinainy Ambazaha, Ampahitrosy, Soalandy, Ampanefy, Soavina, Anosizato Andrefana, Ampitatafika, Ambavahaditokana, Fenoarivo, Itaosy, Ambohitrimanjaka, Fiadanana, ary Ampangabe. Omaly tolakandro tamin’ny 01 ora dia namoaka fanambarana ny APIPA, fa nilatsaka 0,64m ny haavon’ny reniranon’i Sisaony,  ora dimy taty aoriana, izany hoe taorian’ny omaly tamin’ny 03 ora sy sasany maraina nahavakisan’ny fefiloha io, ka lasa 3,30m ny haavon’i sisaony, raha efa tonga 3,94m izany omaly tamin’ny 07 ora maraina. Na izany aza, dia manaitra ny mponina rehetra amin’ireo toerana nahazo fampitandremana hatrany aloha, mba hitandrina amin’ny mety ho fiakaran-drano tampoka, ary hanaraka tsy tapaka ny onjam-peo sy toromarika omen’ny tompon’andraikitra ifotony.

Nangonin’i Stan R.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer