Songadim-baovaoToekarena

FAHAVITANTENA ARA-TSAKAFO : Tantsaha 2 600 nisitraka masomboly vary safiotra sy zezika tany Analanjirofo

Mitohy hatrany ny fanatanterahana ny tetikasan’ny Filoha Andry Rajoelina mifandraika amin’ny fahavitantena ara-tsakafo. Tamin’ny sabotsy lasa teo, araka izany, dia nosokafana tamin’ny fomba ofisialy tany Fenoarivo Atsinanana ny fizarana amsomboly vary safiotra sy zezika ho an’ireo tantsaha any amin’ny Faritra Analanjirofo. Nitarika io hetsika io ny Sekreteram-panjakana eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika misahana ny Fahaleovantena ara-tsakafo, Tahian’Ny Avo Razanamahefa.

Araka izany, tantsaha miisa 2 600 no nisitraka ireo masomboly vary safiotra sy zezika ireo ka avy ao amin’ny Distrikan’i Fenoarivo Atsinanana ny 680 amin’izy ireo. Tonga ra-potoana sy mifanaraka amin’ny tetiandrom-pamokarana ny fisitrahana ireo fanampiana ireo, hoy ny tantsaha. Taorian’ireo rivodoza sy andro ratsy niteraka fahasimban’ny voly mantsy dia mitondra vahaolana sy fanantenana vaovao ho an’ireo tantsaha indray izao fizarana hanam-pamokarana izao. Hanavotra sy hanonitra ny fatiantoka ary hampitombo ny vokatra mba hahazoan’ny tantsaha tombony ara-bola ny tetikasa vary safiotra.

Tonga nanohana sy niara-nientana tamin’io hetsika notanterahana tao Analanjirofo io moa ny Solombavambahoaka avy amin’ny Distrikan’i Fenoarivo Atsinanana sy Soanierana Ivongo, ny Ben’ny Tanàna, ny Governora ary ny Talen’ny Kabinetran’ny Filoha lefitry ny Antenimierampirenena Faritany Toamasina. Tsy adinoina ny fandraisan’anjaran’ny fikambanana AFF (Andry sy  Fototra ho an’ny Fampandrosoana) tarihin’ny Filohany Haingo Ravatomanga, izay mijoro ho mpanara-maso sy manamafy hatrany ny fanatanterahana ny tetikasa, mba hahazoana antoka fa mahazo vokatra tsara sy miabo ireo tantsaha rehetra nisitraka ny tohana avy amin’ny Fitondram-panjakana. Niara-dalana tamin’io sabotsy io ny fanatanterahan’ny AFF hetsika sosialy tany an-toerana toy ny fizarana fitaovam-panjonoana, milina fanjairana, ary fitaovam-pianarana ho an’ny mponina.

S.S

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer