
Fanatanjahan-tenaSongadim-baovao
FIFANINTSANAN’NY AMBOARA ERANTANY 2026: Mitana ny laharana faharoa vonjimaika ny Barea, resin’i Ghana 3 no ho 0
Lavon’ny Black Star an’i Ghana 3 no ho 0 ny Barea an’i Madagasikara teo amin’ny andro faha-6 amin’ny fifanintsanan’ny amboara erantany 2026, izay notanterahina omaly alina tao amin’ny Kianja an’ i Al Hoceima ao Maroc. Nisafidy ny taktika 4-3-3 ingahy Martins Corentin mpanazatra ny Barea an’i Madagasikara. Toy izao ireo mpilalao nandrafitra ny fizarana voalohany, teo amin’ny mpiandry tsatoby no nahitana an’i Geordan, nandrafitra ny vodilaharana dia i Morgan, Thomas sy Harisson ary Mathieu A., ny teo afovoan’ny kianja kosa nahita an’i Clément C. sy Baggio ary Rayan (C), lohalaharana indray dia i Lapoussin sy Warren ary Arnaud.
Vao nanomboka ny fihaonana dia efa niezaka nifehy ny lalao i Ghana. Mafimafy ny fifandonana, nahay nanararaotra an’io i Ghana ka nahavita nampiditra baolina iray teo amin’ny minitra faha-11 tamin’ny alalan’i T. Partey. Na dia niezaka nanasahala ny isa aza ny Barea an’i Madagasikara dia isa 1 no ho 0 io no nentin’ny roa tonta nisaraka teo ampialan-tsasatra.
Niezaka nifehy ny lalao indray i Ghana teo amin’ny fidirana faharoa, nampiasa ny halehibeny ara-batana ka nahavita nampiditra baolina tamin’ny lohany indray i T. Partey teo amin’ny minitra faha-53. Nahazo aina tanteraka ny Black Star an’i Ghana nitarika 2 no 0 io. Ny Barea an’i Madagasikara kosa dia niezaka nanenjika ny isa hatrany, tratry ny valim-panafihana haingana notarihan’i J. Ayew kapiten’ny Black Star ny Barea ka tsy nahavita niaro-tena intsony, nampiditra ny baolina mora foana tao amin’ny haraton’ny Barea i M. Kudus teo amin’ny minitra faha-58
Nampiditra ireo mpilalao manana aim-bao sy manana traikefa toa an’i Njiva sy El Hadary ary M. Ilaimaharitra ny mpanazatra teo amin’ny minitra faha- 68, saingy tsy nampiova ny isa teny amin’ny tabilao anefa izany.
Ghana manana isa 15
Raha tsiahivina ny vokatra tao amin’ny vondrona I misy ny Barea an’i Madagasikara dia, nisaraka ady sahala 0 no ho 0 ny fihaonan’i Mali sy Rép. Centrafrique, Madagasikara nomontsanin’i Ghana 3 no 0, ny alarobia izao kosa no hihaona i Comores sy Tchad.
Mitarika vonjimaika hatrany i Ghana manana isa 15, faharoa ny Barea an’i Madagasikara manana isa 10, samy manana isa 9 i Mali sy i Comores, fahadimy i Rep Centrafrique manana isa 5 ary Tchad no mamarana ny filaharana tsy mbola nitoko. Ny fihaonana eo amin’ny Comores sy i Tchad no hamaritra ny filaharana feno eo amin’ny andro fahaenina eo fifanintsanan’ny amboara erantany 2026 ao amin’ny vondrona I.
Hihaona amin’ny Rep Centrafrique ny Barea an’i Madagasikara ny 01 septambra eo amin’ny andro fahafito, hifandona amin’i Tchad ny 08 septambre, hifanandrina amin’ny Comores ny 06 oktobra ary hamaran’ny fifanintsanana amboara erantany 2026 amin’i Mali ny 13 oktobra 2025.
Njaratiana.




