PolitikaSongadim-baovao
FANJAKANA TSARA TANTANA: Mpiasam-panjakana miisa 250 hanamafy fahaiza-manao any Inde
Sambany teo amin’ny tantaran’ny firenena roa tonta no misy fifanarahana mahakasika ny fanamafisana ny fahaiza-manaon’ny mpiasam-panjakana malagasy avy amin’i Inde, hoy ny fanehoan-kevitry ny Minisitry ny Asa, ny Fampananan’asa ary ny Asam-panjakana Hanitra Fitiavana Razakaboana. Zava-dehibe, noho izany, ny fampivoarana io fiaraha-miasa io. Anisan’ny firenena matanjaka indrindra manerana an’izao tontolo izao mantsy i Inde amin’izao fotoana. Deraina manokana izy amin’ny fananany ny ivonterana NCGG (Centre National de la Bonne Gouvernance) izay mifototra amin’ny fampiroboroboana ny fahaizana mahakasika ny Fanjakana tsara tantana. Ankehitriny mampivoatra fiaraha-miasa miaraka amin’ny Fanjakana malagasy amin’ny alalan’ny Ministeran’ny Asa, ny Fampananan’asa ary ny Asam-panjakana (MTEFoP) sy ny sekoly ambony mpampiofana mpiasam-panjakana malagasy (ENAM) ny Fanjakana indianina sy ny CNGG. Tontosa omaly, noho izany, ny fifanaovan-tsonia ho mariky ny fiaraha-miasan’ny firenena roa tonta eo amin’io sehatra io.
Endrik’izay fiaraha-miasa izay ny fandefasana mpiasam-panjakana malagasy hanamafy fahaiza-manao any Inde. Kendrena ho mpiasam-panjakana, ambony sy salantsalany, miisa 250 no hisitraka izany mandritra ny 3 taona. Ny 90 amin’izy ireo no hisantatra ny fiofanana amin’ity taona 2025 ity. Araka ny fanazavan’ny Minisitra Hanitra Fitiavana Razakaboana, mandeha ankehitriny ny fifampiresahana hahafahana manitra io fiaraha-miasa io hatramin’ny 5 taona. Mbola hiampy, noho izany, ny isan’ireo mpiasam-panjakana malagasy hisitraka io fiofanana any Inde io. Sehatra maro no hiasana ao anatin’izay fanamafisana fahaiza-manao izay. Anisan’izany ny any amin’ny fambolena, fitantanan-draharaham-panjakana, fizahantany, fampianarana, angovo, ary fananana-tany.
Manana iray volana eo ny MTEFoP sy ny ENAM hampahafantarana ny fisian’io soa fanararaotra io any amin’ireo Ministera, Andrim-panjakana sy Kaominina ambonivohitra samihafa. Marihina fa napetraka ny mason-tsivana hahazoana mifantina ireo mpiasam-panjakana mendrika ny hisitraka io fanamafisana fahaiza-manao any Inde io. Natao laharam-pahamehana ao anatin’ireo mason-tsivana ireo ny fahaizana miteny anglisy. Eo ihany koa ny fanaovana tombana ny traikefan’ilay mpiasam-panjakana sy ny asa izay sahaniny. Ny fanatanterahana izany dia hahazoana mampifanaraka ny fiofanana amin’ny filàn’ny Fanjakana amin’izao fotoana, mba hanatsarana hatrany ny fitantanana ny raharaham-panjakana. Ary indrindra hanampy ny Fanjakana amin’ny fivoarana tarihin’ny Filoha Andry Rajoelina amin’izao fotoana.
Sarobidy Sidonie.


