SamihafaSosialy

KAOMININA ANTANANARIVO : Hitondra fanatsarana ny Fasana Anjanahary

Toerana voatonona matetika, indrindra tamin’izao vanim-potoan’ny valanaretina izao ny eny amin’ny Fasam-bahiny Anjanahary. Ity toerana ity izay nametrahana ireo Malagasy lavo teto andrenivohitra kanefa tsy afaka naterina tany amin’ny fasan-drazana noho ny mbola fikatonan’ny lalana. Efa an-taonany maro no nisy ny fasan’Anjanahary. Tamin’ny ankapobeny, mbola tsy nisy asa fanatsarana ny toerana natao teny an-toerana , nandritra ny taona maro nifandimby. Nandritra izao vanim-potoan’ny krizy ara-pahasalamana izao aza vao mba nisy fikambanana toy ny Antoko Freedom nanolotra fanampiana sy fampitaovana ireo mpiasa ao amin’ity toerana ity. Omaly, tonga nijery ny zava-misy teny amin’ny Fasana Anjanahary ny ny Ben’ny Tanànan’Antananarivo, Andriatsitohaina Naina, niaraka tamin’ny ekipa teknika notarihiny. “Hitako fa mihapotika ny fotodrafitrasa ary misy ihany koa ireo fanorenana tsy ara-dalàna manodidina », hoy ny Ben’ny Tanàna, omaly. Adidin’ny Kaomina Antananarivo Renivohitra, hoy izy, ny manamboatra sy miahy ity toerana ity mba ho mendrika. Eo anatrehan’izany, efa misy tetikasa napetraka ho fanamboarana ity toerana ity. Nilaza koa ny teo anivon’ny Kaominina fa hisy tetikasa fametrahana « morgue » ho tanterahana.

Tags
Fermer