PolitikaSongadim-baovao

FANDRAISANA FIVORIANA AN-TAMPONY “COI”: “Fanitsakitsahana ny voninahi-pirenena ny fanoherana azy”

Maneho ny fanoherany sahady manoloana ny handraisan’i Madagasikara ny fivoriana an-tampony faha-V an’ny Vaomieran’ny Ranomasimbe Indiana na ny “Commission de l’Océan Indien” (COI) ny mpanohitra eto Madagasikara. Mazava anefa, ny tanjon’ity Fifanakalozan-kevitra iraisam-pirenena manditra ny fihaonam-be ity, izay hifantoka tanteraka amin’ireo olana lehibe sedrain’ny firenena samihafa, dia ny fahavitan-tena ara-tsakafo. Ny fiaraha-mikatsaka vahaolana hanatsarana ny fiarovana ara-tsakafo amin’izany no tanjon’izy io anefa, raha tsiahivina. I Madagasikara moa dia fantatra, fa manolotra tetikasa fambolena ho azy, mba ho lasa “Trano fitehirizana sakafo ao amin’ny Ranomasimbe Indiana”. Tombontsoam-pirenena goavana tahaka izany no hozongozonin’ny mpanohitra sahady ankehitriny. Izy ireo, izay tsy mikatsaka izay hahasoa ny vahoaka malagasy amin’ny fanoherana bontolo hatrany, raha ny fanehoan-kevitry ny Loholon’i Madagasikara, Tsiebo Mahaleo Victor, omaly. Voizin’ny mpanohitra ao anatin’izany moa ny hoe “fahamenarana ho an’i Madagasikara manoloana ny zava-misy eto ny fandraisana fivoriam-be iraisam-pirenena izany”. Voninahi-pirenena anefa, ary tombontsoa ho an’ny Malagasy tsivakivolo ny fandraisana ny fivoriam-ben’ny COI izany. Tsy ho ana Antoko politika na ho an’olon-tokana fa ho an’i Madagasikara iray manontolo mihitsy no omem-boninahitra amin’izany, hoy ity Loholona. Nambarany, fa “ny an’ireo mpanohitra dia na inona zavatra hita fa mahasoa ny firenena dia toherina hatrany noho ny fankahalana ny Filoha Rajoelina. Sahin’izy ireo noho izany, ny manitsakitsaka ny voninahi-pirenena sy ny hasin’ny tanindrazana vokatr’io, dia tsy inona fa fitiavan-tseza”. Aminy, ny fiheveran’ireo mpanohitra rehefa tsy eo amin’ny fitondrana izy dia tsy misy manjary eto amin’ny firenena. “Toe-tsaina lomorina izany”, raha ny nambarany. Tsy mendrika hanan’andraikitra eto amin’ny firenena ny olona mihevitra toy izany, ary rariny sy hitsiny raha tsy manome rariny mpanao politika toy izany ny vahoaka malagasy. Fitadiavan-tsoa ho an’ny firenena sy fanabeazana vahoaka ny tena politika, ary izany no tokony hanabeazana ny tanora. Tsy mbola nisy teto Madagasikara izany hoe mandray fivoriana iraisam-pirenana indroa anaty taona iray izany, hoy hatrany ny Loholona. Hita amin’izao hoy izy ny maha olom-pahefana azy ireo fa tsy olom-panjakana, ary ny seza politika no tanindrazany. Ny 24 Aprily 2025 izao moa, no handraisana ity fivoriana an-tampon’ny COI eto ity.

Stan R.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer