PolitikaSongadim-baovao

TETIKASAN’NY FILOHA ENY AMBATOLAMPY TSIMAHAFOTSY : Tsy hisy fanotofana tanimbary sy fandravana fonenana

Tonga tao amin’ny kaominina Ambatolampy Tsimahafotsy ireo tomponandraikitra avy amin’ireo minisitera misahana ny fanatanterahana ny tetikasan’ny Filoha, araka ny toromariky ny Filoha Andry Rajoelina. Tanjona ny nazava ny tena marina mahakasika ny tetikasa izay ho atao, ary koa ampitony ny sain’ireo mponina manoloana ny tsaho miely. Voasolo tena tao avokoa ny minisiteran’ny Fanajariana ny tany sy ny fanapariaham-pahefana, ny minisiteran’ny Asa vaventy, ny minisiteran’ny Atitany, ny minisiteran’ny Angovo sy ny akoran’afo, ary ny Sekreteram-panjakana miadidy ny tanàna vaovao sy ny toeram-ponenana. Tao amin’ny Tranompokonolon’ny kaominina Ambatolampy Tsimahafotsy no natao ny fihaonana, omaly tolakandro. Nanatrika izany fihaonana izany, Rakotoarivelo Tsiresilahitsara, Ben’ny tanànan’Ambatolampy Tsimahafotsy.  Nandiso marindrano ny resaka izay naely ireo tomponandraikitra nihaona tamin’ny vahoaka. Notsindrian-dRakotoarijaona Hasina Soloson Éric, Tale iraisam-paritry ny minisiteran’ny Angovo sy Akoranafo « fa tsy ho atao ao Ambatolampy Tsimahafotsy io tetikasa fametrahana “parc solaire” io ». Nasongadiny fa tsy hisy velively ny fanotofana tanimbary na fandravana tany. Eny fa na dia ny tetikasa fanamboarana ny “autoroute”, izay manamorona ity kaominina ity aza, dia tsy misy fandrodanana toeram-ponenana. Nezahina tsy hipaka amin’ny tanimbary, ny tetikasa,  mba hitsinjovana ireo tantsaha mpamokatra, izay laharam-pahamehan’ny Fitondram-panjakana koa.

Fametrahana « parc solaire »

Raha ny mahakasika ilay hoe fametrahana « parc solaire », ampahany kely amina toerana ao amin’ny kaominina Antehiroka, izay mifanipaka amin’Ambatolampy Tsimahafotsy mihitsy no hanaovana izany. Amina ampahan-tany manamorona ny ilany havian’ny araben’i Tsarasaotra, raha hihazo an’Ivato, no hanaovana izany tetikasa izany. Toerana izay tsy misy trano miorina mihitsy. Tsy hisy koa ny fanotofana tany, satria dia “sur pilotis” na hoe fototra vy atsatoka any anaty tany no ipetrahan’ireo“plaques solaires”. Nosafidina manokana mihitsy ny hoe faritra tsy hisy fiantraikany amin’ny asa fambolen’ny tantsaha no ametrahana io “parc solaire” io.

Ny Filoham-pirenena moa dia efa nidina nijery io toerana ao amin’ny kaominina an’Antehiroka io, ny 24 marsa teo. Ary efa nisy ny fifampiresahana tamin’ireo mponina. Raha sanatria ka misy ny tanimbary voakasik’io fotodrafitrasa io, dia efa nisy koa ny fifanarahana mahakasika ny onitra ho sitrahan’ireo tompon’ny tany. Ezahina ho faran’izay kely nefa ny fiantefan’io tetikasa io amin’ireo tanimbary. Nantitranterin’ireo tomponandraikitra nirahin’ny Filoha teny an-toerana omaly, fa tsy hisy tany ho totofana velively.

Naneho fankasitrahana ny mponina

Nizotra am-pilaminana ny fifampiresahana tamin’ireo mponin’Ambatolampy Tsimahafotsy. Mazava izao fa vaovao diso no naparitaka tamin’izy ireo. Ireto farany moa izay nilaza fa ireo peta-drindrina sy taratasy nozaraina tamin’izy ireo no nanaitra sy nampanahy mafy azy ireo, ka niteraka ny savorovoro.  Tsy avy amin’ny Fitondram-panjakana velively ny peta-drindrina. Notsindriana nandritra ity fihaonana omaly tokandro, fa ny taratasy ofisialy dia tokony hisy fitombokase mena, sy sonia ana tomponandraikitra. Nidera manokana ny fihetsiky ny Filoham-pirenena izy ireo izay nanaporofo tamin’ny fanirahana ireo tomponandraikitra fa mahafantatra ny ahiahin’ny vahoaka ary mihaino azy ireo. Tsy niadry ela, tonga nanatona azy ireo ny Fitondram-panjakana nifanakalo hevitra sy anazava ny tena zava-misy marina.

Raha tsiahivina, nisy ny savorovoro tao Ambatolampy Tsimahafotsy, ny fiandohan’ny herinandro teo. Naneho ny tsy fahafaliany ny ampahany tamin’ireo mponina tao. Niparitaka teny amin’ny tambazotran-tserasera izany. Naparitaka ny vaovao diso fa hoe hototofana ny tanimbarin’izy ireo hanaovana ny tetikasan’ny Filoha. Nisy mihitsy nametaka peta-drindrina mahakasika izany. Tetikasa fametrahana “parc solaire” moa no hoe antony.

Rado Harivelo

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer