PolitikaSongadim-baovao

FANATSARANA NY FITANTANANA : Misitraka fiofanana ireo Ben’ny tanàna ao amin’ny Distrikan’Arivonimamo

Toy ny natao tany amin’ny Distrikan’i Manjakandriana sy Antsirabe, dia nahazo ny anjara fampiofanany avy amin’ny Loholona Lalatiana Rakotondrazafy koa ireo Ben’ny tanàna ao amin’ny Distrikan’Arivonimamo. Nambarany fa hatramin’ny nahavoatendry azy ho Loholon’i Madagasikara dia isan’ny fitarainana miverimberina ataon’ireo Ben’ny tanàna ny hoe tsy ampy ny fahalalana sy ny fahaiza-manao hanatontosana ny asa. Misy rahateo koa ireo Ben’ny tanàna vaovao, izany hoe, vao sambany hisahana ny andraikitra maha ben’ny tanàna. Ankoatra izay, amin’ny maha efa tao anatin’ny fahefana mpanatanteraka an-dRamatoa Loholona Lalatiana Rakotondrazafy,  dia olana lehibe niainana sy tafakatra tany ambony ny hoe betsaka ireo ben’ny tanàna migadra, enjehin’ny Fitsarana satria misy zavatra tsy voafehy tao anatin’ny fitantanana ny tanàna, na fitantanana ara-panjakana izany, na fitantanana ara-bola. Misy pitsopitsony tsy maintsy arahina ihany koa amin’ny fitsipi-dalàna isankarazany, entina mitantana ny kaominina kanefa tsy voafehin’ny Ben’ny tanàna. Indraindray fanapahan-kevitra noraisin’ny filankevitry ny tanàna no nampiharin’ilay ben’ny tanàna kanefa mety hahavoa azy izany.

Isorohana an’izany indrindra dia noraisin’ny Loholon’i Madagasikara, Lalatiana Rakotondrazafy ho adidy, amin’ny maha mpiahy mivantana ny Vondrom-bahoaka itsinjarampahefana azy, ny mitondra fampiofanana, mba ho mialohan’ny fanatanterahana ny asa dia mba mahafehy ny pitsopitsony amin’ny didy aman-dalàna, na ny fomba fitantanana amin’ny ankapobeny ny Kaominina, ireo Ben’ny tanàna. Ary ireo mpanolontsain’ny tanàna koa dia ilaina mahatsapa hoe toy ny ahoana ny asan’ny mpanolontsain’ny tanàna sy ny tokony ho fifandraisan’ny mpanolontsain’ny tanàna sy ny ben’ny tanàna, sy ny sisa hafa koa. Izany hoe, tsy ijanona amin’ny zavatra teorika fotsiny fa tena ny zavatra iainan’ny ben’ny tanàna mihitsy no hitondrana fampiofanana.

Tsara marihina fa miompana amin’ny lafiny fitantanan-draharaham-panjakana ny fampiofanana amin’ny andro voalohany. Raha toa ka mahakasika ny fitantanana ara-bola kosa ny andro faharoa.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer