Songadim-baovaoSosialy

AÏD EL-FITR 2025: Nampiroboroboana ny firaisan-kinan’ireo mpino silamo malagasy

Fotoana manamarika ny fihafaran’ny fifehezana nandritra ny volana masina Ramadany, ao anatin’ny finoana silamo, ny Aïd El-Fitr. Miankina amin’ny fahitana ny volana no hamaritana io andro hanamarihana ny Aïd El-Fitr io. Nisy tamin’ireo mpino sasany any amin’ny firenena hafa, noho izany, no efa nanamarika io andro io tamin’ny alahady lasa teo. Omaly kosa no nankalazana izany ny teto Madagasikara. Nilaza ny efa nahita ny volana ny tany amin’ny tanàna maro manerana ny Nosy. Nifanindran-dalana tanteraka tamin’ny datin’ny  31 marsa nodidian’ny Fitondram-panjakana ho andro tsy hiasa fa handraisan-karama ho fankalazana ny Aïd El-Fitr 2025, araka izany, io fahitana ny volana io. Ny finoana silamo izay miankina tanteraka amin’ny volana ao anatin’ny fanisan’androny.

Nanetriketrika, noho izany, ny fankalazana ny Aïd El-Fitr tamina faritra maro manerana ny Nosy omaly. Ho an’ny teto Andrenivohitra manokana dia nahitana ny fanamarihana io fetin-dry zareo mpino silamo io ny teny amin’ny Kianja Maki Andohatapenaka sy ny teny amin’ny Kianja Elgeco Plus. Niavaka ihany koa ny fanamarihana notanterahana tao amin’ny Lapan’ny Kolontsaina sy ny Fanatanjahantena Mahamasina omaly tolakandro. Fanamarihana izay nanehoana ny firaisan-kina eo amin’ireo samy mpino silamo malagasy. Maherin’ny 2 500 mantsy ireo mpino silamo namaly ny antso mahakasika ny tokony hiarahana sy hisian’ny firaisan-kina amin’ny samy mpino silamo izay nataon’ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena Marson Moustapha Abdulah.

Fety natao hifampizara, hamalifaliana ny Aïd El-Fitr, hoy ny Minisitra, indrindra ho an’ireo tanora, ny ankizy sy ireo mpianatra. Noho izany indrindra no nahatonga ny tenany hamalifaly ireo mpino silamo nandritra io fampivondrona tao Mahamasina omaly io. Tsy nanavahana fa nahazo fehezan-karona fanomezana avokoa izay rehetra tonga tao amin’ny lapan’ny Kolontsaina sy ny Fanatanjahantena. Nisy ny fanomezana tsy nampoizina tao anatin’ireo fehezan-karona ireo izay mety nahazoana kodiarandroa, bisikileta, vata fampangatsiahana, solosaina, finday, tablette, fitafy fitondra mivavaka sy ny maro hafa. Nomarihin’ny Minisitra Marson Moustapha Abdulah fa manana adidy sy andraikitra amin’ny fampitambarana ny samy Malagasy ny tenany. Izany indrindra no antony fanamafisana ny fisaorany ny Filohampirenena Andry Rajoelina izay nametraka hatrany ny andron’ny Aïd El-Fitr ho andro tsy hiasana.
Nanotrona sy nanome voninahitra io fotoana omaly io moa ny Nonce Apostolique Mgr Tomasz Gryza izay solotenan’ny Papa Raimasina eto amintsika. Mbola nitondra ny teny ho fampisehoana ny  fiaraisan-kina eo amin’ny mpinona kristianina sy silamo ihany koa izy. Ankoatra azy dia nanatrika io fotoana omaly io ny loholona avy amin’ny faritanin’i Mahajanga sy ireo olom-panjakana maro.

Sarobidy Sidonie.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer