PolitikaSongadim-baovao
78 TAON’NY TOLOM-PANAFAHANA : « Mitohy ny tolona hanatrarana ny tena fahaleovantena marina », hoy ny Filoha Andry Rajoelina
Feno 78 taona ny tolom-panafahana nataon'ireo maherifon'ny firenena ho an'ny fahaleovantena. Notsiahivina manokana izy ireo tamin'ny fametrahana fehezam-boninkazo teo amin'ny fasan'ny Mahery fo teny Avaratr'Ambohitsaina sy teo amin'ny tsangam-baton'ny 29 marsa 1947 tany Moramanga izay notarihin'ny Filoha Andry Rajoelina. Nasongadiny fa mitohy ny tolona ho antsika taranaka fara aman-dimby, hanatrarantsika ny tena fahaleovantena dia ny fahaleovantena ara-tsakafo, ara-toekarena sy ara-tsosialy, izorana mankany amin’ny fampandrosoana...
29 marsa 1947-29 marsa 2025 ! Feno 78 taona katroka, ny sabotsy lasa teo, ny tolom-panafahana nataon’ireo maherifon’ny Firenena. Notsiahivina manokana izy ireo tamin’ny fametrahana fehezam-boninkazo teo amin’ny fasan’ny Maherifo teny Avaratr’Ambohitsaina sy teo amin’ny Tsangambaton’ny 29 marsa 1947 tany Moramanga, izay notarihin’ny Filoha Andry Rajoelina. Tao aorian’ny lanonana teny amin’ny Mausolée Antananarivo, nitodi-doha nankany Moramanga ny Filoham-pirenena, ny androtry ny 29 marsa lasa teo. Tamin’ny 10 ora latsaka fahefany no nigadona teo amin’ny Tsangambaton’ireo maherifon’ny 1947, tao amin’ny renivohitry ny Bezanozano izy. Nanaraka azy tamin’ity diany ity, ny Minisitry ny Foloalindahy sy ny Minisitra Delege misahana ny Zandarimariam-pirenena. Teo am-pahatongavana, avy hatrany dia nametraka fehezam-boninkazo teo amin’ny Tsangambaton’ireo maherifon’ny 1947. Niondrika nanome voninahitra ireo maherifo, ary nandrehitra an’ilay afon’ny fitiavan-tanindrazana ny Filoham-pirenena, rehefa avy noredonina ny hirampirenana sy ny fisafoana andian-tafika. Nohamafisin’ny Filoha nandritra ny fandraisam-pitenenany tao anatin’izay fa Moramanga no loharano nipoiran’ny fahaleovantenan’i Madagasikara, toerana nametraka tantara tamin’ny sabotsy 29 marsa 1947. 78 taona taty aoriana, tolona sy fanoloran-tena entanin’ny fitiavan-tanindrazana no nasehon’ireo maherifo, anisan’izany ny MDRM sy ny Vy Vato Sakelika. « Ny ady sy ny tolona notarihin’izy ireo, dia fototra niverenan’ny fahaleovantena, izay mahasaro-piaro antsika, » hoy izy.
Nanamafy ny Filoha Andry Rajoelina fa « sarobidy ny tolona sy ireo aina nafoy teto amin’ny Firenena », ary nohamafisiny fa noho ny firaisan-kina no nahatongavana tamin’ny fahaleovantena. Notsipahiny koa ny herisetra nahazo ireo mpitolona. Anisan’izany ireo « natao tany anaty fiaramanidina, natsipy velona dia maty tety an-tany » sy ireo « novonoina, nosamborina tamin’ny tsy rariny ». Nilaza izy fa « ny olona tena tia tanindrazana dia mahatsapa fa manana adidy hampandrosoana sy hikatsahana ny tombontsoan’ny besinimaro, ary tsy avela ho very maina ny rà latsaka ». Amin’izao fotoana izao, nomarihany fa mbola misy ny tolona hatrehina. Araka ny nambarany mantsy dia « ny tena fahavalontsika dia ny fahantrana, ny fitiavan-tena, ny fikasana hifampizara sy hanakorontana ny samy Malagasy. »
Mitohy ny tolona…
Nomelohin’ny Filoha manaraka izay, ny « fikatsahana ny fifampirafesana kasaina ho atao eto amin’ny firenena », ary nanamafy izy fa efa maro loatra izay aina nafoy izay, ka tokony hiara-mizotra amin’ny fampandrosoana. Notsindriany fa mbola mitohy ny tolona ho an’ny fahaleovantena ara-tsakafo, ara-toekarena ary ara-tsosialy. « Natao hifamela isika fa tsy hifamono, natao hifankatia isika fa tsy hifandrafy. Ary aoka tsy ataon’iza na iza ho fitaovana ho fahavalon’ny fampandrosoana isika », hoy izy nanantitrantitra. Fotoana izao hanehoana indray ny firaisam-po, izay nampitambatra sy mampiavaka, na ny avy any atsimo, na ny avy any avaratra, na ny avy any andrefana, na ny avy any atsinanana, na ny eto afovoantany. Natsidiny ny fahendrena napetraky ny mpitari-tolona tamin’ny 1947. « Nanaraka paikady mazava izy ireo, nanana faharetana, nanaiky ny fandaminana noho ny tombontsoa iombonana. », hoy izy. Izany no lalan-tsaina tokony harahina amin’ny fampandrosoana an’i Madagasikara. Farany, nohamafisin’ny Filoha hatrany, fa tsy maintsy ho tanteraka ny fanirian’ny Malagasy rehetra: « Madagasikara tsy maintsy mandroso! ».
Nangonin’i Rado Harivelo



