Songadim-baovaoTrangam-piaraha-monina
TSY SALAMA SAINA NANAO TSATOK’ANTSY: Nahafaty tovolahy mpianatra iray, saika niharan’ny fitsaram-bahoaka
Tovolahy mpianatra iray no maty vokatry ratra mafy avy amina tsatok’antsy nataona lehilahy iray voamarina fa tsy salama saina, tany Andranomaimbo Antsirabe, ny harivan’ny alatsinainy lasa teo. Voasoroka mialoha ny fikasana fitsaram-bahoaka nataona andian’olona momba ity raharaha ity. Misokatra ny fanadihadiana tanterahin’ny Polisim-pirenena ao an-toerana…
Nanohina ny fon’ny maro ny trangam-piarahamonina niseho tao Andranomaimbo Antsirabe, ny harivan’ny alatsinainy 31 martsa 2025 lasa teo. Tovolahy iray 22 taona no maty vokatry ny tsatok’antsy nahazo azy. Lehilahy tsy salama saina no nahavanon-doza, raha ny fantatra. Fitantaran’ny havany, dia lalan’ny handeha hianatra ity tovolahy ity sy ny namany roa hafa ny harivan’io tokony ho tamin’ny 06 ora mahery. Tampoka anefa, nony teny an-dalana dia nisy kodiaran-droa nijanona teo anoloan’izy ireo, ary olona iray hafa no nanatsatok’antsy avy ao ivohony. Tafavoaka tamin’ny kibony moa io tsindron’antsy io, raha ny fampitam-baovao voaray, ary noho ny ratra mafy nahazo azy no nitarika ny fahafatesany, 20 minitra taorian’ny ala nenina natao azy teny amin’ny hopitaly be ao Antsirabe. Voalaza ihany koa fa naratra vokatr’izany ireo namany niara-dalana taminy. Nitsoaka ny nahavanon-doza taorian’io, izay voalaza fa nizotra tamin’ny lalana mihazo an’Antsenakely. Tsy ela taorian’izay anefa, dia tratran’ny Polisin’ny UIR Antsirabe ity farany, ary notanana tao amin’ny biraon’ny Polisy.
Tezitra noho io tranga nahafatesan’ilay tovolahy io ny andian’olona vitsivitsy manodidina ny 30 eo, izay nahitana ny olona akaiky ny maty sy ny mpiara-monina manodidina, raha ny loharanom-baovao. Ireto farany izay nirohotra teny amin’ny biraon’ny Polisy nitaky ny hamoahana ilay olona nahavanon-doza hanaovana fitsaram-bahoaka. Omaly tokony ho tamin’ny 09 ora maraina. Nisy anefa, fifampiresahana nataon’ny tompon’andraikitry ny Kaomisaria foibe Antsirabe tamin’ireto farany, no sady nametrahana paikady hiarovana ny Kaomisaria, amin’ny maha tobin’ny Mpitandro filaminana azy. Nanaiky niala ireto andian’olona nony farany, saingy nitohy tamin’ny fanaovana fanakanana (barrage) teo Andranomaimbo tamin’ny alalan’ny fandorana kodiarana izany, ary noravain’ny Mpitandro filaminana. Raha ny mikasika ilay lehilahy nanao tsatok’antsy indray, dia voamarina tao amin’ny FLM Toby Ambohimahazo Antsirabe, fa tsy salama saina ity farany, nanomboka ny taona 2010, saingy tafavoaka tao ny alatsinainy 31 martsa 2025 teo, ary izao nahavita nahavanon-doza izao. Tsy nanam-po ny zava-doza nafitsok’io lehilahy io moa ny tompon’andraikitra tao amin’ny toby, raha tsy taorian’ny tranga. Efa misokatra ny fanadihadiana, ary andrasana ny vokatr’izany.
Nangonin’i Stan R.



