Fanadihadiana Manokana

FITOMBON’NY FAMOKARANA FAKO: Vahaolana tsy azo ihodivirana intsony ny famerenana mampiasa sy ny fanodinana

Vinavinaina hitombo 73% ny famokaran’ny mponina maneran-tany fako hatramin’ny taona taona 2050. Vahaolana tsy azo hialana intsony, noho izany, ny fitodihana amin’ny famerenana mampiasa sy amin’ny fanodinana ny fako. Mizotra amin’izany ny paikady ampiharina eto Madagasikara. Hotokanana tsy ho ela ny ivontoerana fanodinana fako any Toamasina. Hatao amin’ity taona ity ihany koa ny fametrahana ny ivontoerana iray hafa ao Manandriana.

Mamokatra fako manodidina ny 2,1 miliara isan-taona isika olombelona maneran-tany. Haingam-pitombo kokoa io famokarantsika fako io. Vinavinaina hitombo 73% anefa io famokarantsika fako io hatramin’ny taona taona 2050. Miteraka olana lehibe saro-bahana eo amin’ny fitantanana ny tontolo iainana amin’ny ankapobeny izany zava-misy izany. Antony mahatonga io fitombon’ny famokarana fako io ny fivoaran’ny tanàn-dehibe, ny fitombon’ny mponina, ary ny fomba fanjifana tsy lovainjafy: mandray, mamokatra sy manary.

Ho antsika eto Madagasikara kosa, “isan’andro dia miaina miaraka amin’ny fako isika”, hoy ny Minisitry ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy Max Andonirina Fontaine. Ho an’Antananarivo manokana, mamokatra fako hatramin’ny 1 800m3 isan’andro ny eto an-drenivohitra. Ny ankabeazan’ny fako eto amintsika dia tsy voahavaka, tsy voakarakara, ary tsy voahodina. Ny fiparitan’ny fako anefa dia mahatonga aretina, mahatonga loto sy fahasimban’ny endriky ny tanàna. Tsiahivina fa tamin’ny datin’ny 30 marsa lasa teo no fankalazana ny andro iraisam-pirenena tsy misy fako. Fotoana iray ampatsiahivina io fa olana kanefa azo havadika tsara ho vahaolana ihany koa ny fako.

Hihodina tsy ho ela ny ivontoerana fanodinana fako any Toamasina, hiampy an’i Manandriana

Tsy voatery hitohy hatrany anefa ireo fitombon’ny famokarana sy fiparitahan’ny fako ireo ka afaka manova izany zava-misy izany isika, hoy hatrany ny Minisitra. Rehefa tsara tantana ny fako dia afaka mivadika ho vahaolana, asa sy fidiram-bola. Mifandraika tanteraka amin’ny vinan’ny Filohampirenena ao anatin’ny politika ankapoben’ny Fanjakana izany satria sady afaka miaro ny tontolo iainana isika, afaka manatsara ny fiainan’ny mponina, ary mampiroborobo ny famoronana asa. Tombony maro no sitrahana rehefa voafehy ny fitantanana ny fako. Eo amin’ny lafiny ara-pahasalamana dia mihena ny aretina, mihena ireo biby mpamindra aretina, ary foana ireo loto rehefa madio ny manodidina ny tanàna. Voaaro ny tontolo iainana, tsy simba ny tany, tsy maloto ny renirano, ary voatahiry ny zavaboary. Eo min’ny sehatry ny toekarena kosa dia miroborobo ny asa amin’ny fanangonana sy fanodinana fako, miteraka fampidiram-bola.

Manoloana ny fitombon’ny fiparitahan’ny fako, noho izany, dia vahaolana tsy azo hiodivirana intsony ny fampiroboroboana amin’ny famerenana mampiasa sy ny fanodinana ny fako. Any amin’ireo firenena afrikanina maro, hoy ny fanazavan’ny Minisitra Max Andonirina Fontaine, dia efa maro ireo orinasa sy fikambanana mitondra vahaolana eo amin’ny sehatry ny fanodinana fako. “Tsy vesatra intsony ny fako fa harena miandry hatsaraina… Tsy nofinofy ny Madagasikara tsy misy fako fa tetikasa azo tanterahana tsara”, hoy hatrany Atoa Minisitra. Rehefa izany, mitodika any amin’izay lalan-tsain’ny fampiroboroboana ny fanodinana fako izay ny fiharian-karena mitsingerina eto Madagasikara.

Tsy mijery lavitra fotsiny ihany i Madagasikara eo amin’io fanodinana fako io, hoy ny fanazavana, fa efa mihatra avy hatrany ireo tetikasa mifandraika amin’izay. Toromarika avy amin’ny Filoha Andry Rajoelina ny tsy maintsy handrosoantsika eo amin’io lafiny fitantanana sy fanodinana ny fako io. Manamafy ny tantsoroka avy amintsika rahateo ireo mpiara-miombona antoka eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Rehefa izany, anisan’ny paikady ampiharina ny fananganana ivontoerana fanavahana sy fanodinana fako amin’ny toerana maro manerana ny Nosy. Efa kely sisa ny famitana ny fotodrafitrasa ary hotokanana tsy ho ela ny ivontoerana fanodinana fako any Toamasina, hoy ny Minisitra. Efa tonga any an-toerana ireo fitaovana rehetra ampiasaina. Hisy ny fandefasana antso hisafidianana ny orinasa hisehatra amin’izany. Tsiahivina fa mahavita manodina fako hatramin’ny 60T isan’andro io ivontoerana ao Toamasina io. Ankoatra azy, efa fantatra ihany koa fa i Manandriana, Antananarivo Avaradrano, no hananganana amin’ity taona ity  ny ivontoerana fanodinana fako manaraka eo.

 

Atrikasa rejionaly hanamafisana ny fitantanana ny fako

Miroso amin’ny dingan’ny fampiroboroboana ny fitantanana sy fanodinana fako hatrany, araka izany, i Madagasikara. Mandritra ny hateloana, nanomboka omaly ka mifarana rahampitso, dia tanterahana eto Madagasikara ny atrikasa rejionaly momba ny fitantanana ny fako aty Afrika Atsinanana. Mandray anjara amin’izany ireo mpanapa-kevitra avy amin’ny firenena aty Afrika Atsinanana miisa 14. Mikarakara ny atrikasa kosa ny Birao misahana ny Fandrosoana Lovainjafy eo anivon’ny Firenena Mikambana (UNOSD) sy ny Ministeran’ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy (MEDD), miaraka amin’ny MDAT, ny MEAH ary ny Masoivohon’ny Repoblikan’i Korea eto Madagasikara. Tanjona amin’ny fikarakarana io atrikasa io ny fanamafisana fiaraha-miasa eo amin’ny samy firenena amin’ny fitantanana lovainjafy ny fako. Eo ihany koa ny hisian’ny fifampizarana traikefa sy ny fahaiza-manao ary ny fandalinana ireo tranga azo alain-tahaka eo amin’ny samy firenena aty Afrika Atsinanana. Misongadina ny hisian’ny fifanakalozana mitondra mankany amin’ny asa mivaingana mba hahafahana mandroso vahaolana amin’ny politikam-panjakana momba ny fitantanana lovainjafy ny fako.
Ankilany, laharam-pahamehana ao anatin’izao atrikasa izao ihany koa ny fanomezan-toerana ny angon-draikitra amin’ny fitantanana mahomby ny fako. Ny fanangonana, ny fanadihadiana ny angon-draikitra momba ny fako dia tena ilaina amin’ny fandrafetana politika mahomby momba ny fampihenana, fanodinana ary ny famerenana amin’ny laoniny ny fako. Ny angon-draikitra mari-pototra sy manaraka vanim-potoana dia ahafahana manombana ny fiantraikan’ny politikam-panjakana ary ihany koa ahafana mitarika ireo asa rehetra ho any amin’ny ho avy lovainjafy. Noho izany, ny Firenena Mikambana dia mankahery ireo mpikambana ao aminy mba hanamafy ny fomba fandrafetana ny angon-draikitra mba hahafahana miroso bebe kokoa amin’io sehatra io. Fitaovana iray manan-danja ampahafantarina mandritra ny atrikasa ny “Waste Management Policy Support System” (WMPSS). Fitaovana novolavolain’ny Firenena Mikambana hanampiana ireo firenena iasan’ny tetikasa hanatsarana ny paikadin’izy ireo amin’ny fitantanana ny fako. Tanjona ny hananana antontan-kevitra sy antontan’isa mazava sy marina, hanampy amin’ny fandraisana fanapahan-kevitra ary manamafy ny fampiroboroboana ny toekarena mihodina.

Nangonin’i Sarobidy Sidonie.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer