Songadim-baovaoTrangam-piaraha-monina
HERISETRA MIHARO VONO OLONA: Zazavavikely 06 taona naolana, ary novonoina tamin’ny fomba feno habibiana
Habibiana no nitranga tao Avaradrova Ambohimahasoa, ny alin’ny talata 02 aprily lasa teo. Zazavavikely 06 taona no niharan’ny fanolanana sy vono tamin’ny fomba feno herisetra tsy azon’olombelona heverina. Raha ny tranga niseho dia fantatra, fa miasa manao kilasimandry amina hotely iray ao an-toerana ny rain’ity zazavavikely ity. Efatra mianadahy izy ireo, raha ny fantatra. Raha mbola tany am-piasana ny rainy tamin’io alina io, dia nisy olona niditra an-tsokosoko tao an’efitra fatorian’ireo ankizy, raha ny fitantaran-dreniny. Io zazavavikely io no nobatain’ireo olon-dratsy tamin’izay, ary nentiny nivoaka ny trano ka nentin’izy ireo tamina toerana tsy fantatra. Tsy afa-nikiaka niantso vonjy ilay zaza tamin’izay, satria ny manodidina tsy nisy nahare. Rehefa tonga tamin’ilay toerana izy ireo, dia naolany avy hatrany ilay zaza, avy eo novonoiny tamin’ny fomba feno habibiana tanteraka. Tao anatin’iny alina iny, rehefa nirava ny rain’ny zaza dia tsy nahita azy teo am-pandriany, ary niara-nikaroka azy ny fiarahamonina, saingy tsy nahita azy. Nony maraina anefa, vao hita ilay zaza, tao anaty tatatra manamorona tanimbary, efa nivalampatra sy tsy nisy aina intsony. Feno ratra avy amina zava-maranitra ny tarehiny sy ny vatany. Nanamafy izany ny fizahana nataon’ny mpitsabo, izay nilaza, fa talohan’ny namonoana io zaza io dia niharan’ny fanolanana izy, ary taorian’izay no nanatsofohan’ireo tsivalahara hazo tao amin’ny fivaviany. Simba tanteraka noho izany, ilay tsy manan-tsiny. Mpianatra amina sekoly Ambaratonga voalohany EPP ao Antaninarenina Ambohimahasoa ity zazavavikely ity. Efa eo am-pelatanan’ny manam-pahefana any an-toerana ny raharaha, ary misokatra ny fanadihadiana tanterahin’ny Kaomisarian’ny Polisim-pirenena ao Ambohimahasoa, sy ny fikarohana ireo izay nahavanon-doza. Hatramin’ny omaly hariva, dia tsy mbola naharenesam-baovao mikasika izany. Andrasana ny tohin’ity habibiana tao Ambohimahasoa ity.
Stan R.


