PolitikaSongadim-baovao

FIKENDRENA FANAKORONTANANA… : Samy nahitana « cocktail molotov » teo akaikin’ny Pradon Antanimena sy ny Pac 67ha

Nisy nametraka « Cocktail Molotov » sy taratasy miendrika trakta anoloan’ny vavahadin’ny Tendrom-pitsarana miady amin’ny kolikoly na ny Pac 67 Ha, afakomaly tamin’ny 10 ora sasany alina. Nahitana io tranga io koa omaly, manodidina ny tamin’ny 3 ora maraina tany ho any, teo amin’ny Villa Pradon Antanimena. Efa tonga nizaha ifotony teny an-toerana ireo mpitandro filaminana isan-tokony. Tombanana ho asa fanakorontanana miendrika fampihorohoroana ny toe-draharaha, amin’izao ankatoky ny fandraisantsika ny fivorian’ny Vaomieran’ny Ranomasimbe indiana izao…

Miverina indray ny asa fanakorontanana sy ny asa fampihorohoroana ! Nisy nametraka « Cocktail Molotov » sy taratasy miendrika « trakta » teo anoloan’ny vavahadin’ny Tendrom-pitsarana miady amin’ny kolikoly na ny Pac etsy 67 Ha, afakomaly tamin’ny 10 ora sasany alina. Raha ny angom-baovao, misy olona manaparitaka trakta ary nametraka io « cocktail Molotov » teo amin’ny vavahadin’ny Fitsarana miady amin’ny kolikoly etsy (PAC) eo 67Ha, izay tafiditra ao anatin’ny boriborintany voalohany, kaominina Antananarivo renivohitra. Vantany vao nandre io tranga io ny avy eo anivon’ny Zandarimariam-pirenena, dia nidina ifotony teny an-toerana ny zandary miisa dimy, mba hijery akaiky ny zava-misy. Ny hita teny an-toerana,  dia trakta tamin’ny taratasy fotsy nipetraka akaikin’ny varavarana manoloana ny Fitsarana ary tavoahangy iray misy solitany na « pétrole » sy lamba ao anatina « cocktail Molotov ». Isan’ireo tonga teny ifotony ny avy eo anivon’ny Zandarimariam-pirenena sy ny avy amin’ny polisin’ny boriborintany fahafito.

Nahitana io tranga io koa omaly, manodidina ny tamin’ny 3 ora maraina tany ho any, tetsy akaikin’ny Pradon Antanimena, izay mifanakaiky kely amin’ny toeram-pivarotana H&H Mode, izay akaikin’ny lalan’ny mpandeha tongotra. Isan’ny nahitana ilay trakta koa teny an-toerana, izay miresaka momba ilay raharaha  « cocaïne » tany Nosy Be sy ny tany Faradofay. Efa tonga nizaha ifotony teny an-toerana koa ireo mpitandro filaminana isan-tokony. Mitohy hatrany ny fanadihadiana momba ity tranga ity.

Fikatsahana tsy filaminana…

Tombanana ho asa fanakorontanana miendrika fampihorohoroana ny toe-draharaha, amin’izao ankatoky ny fandraisantsika fivoriana iraisam-pirenena maromaro. Isan’izany  ny fivorian’ny Vondron’ny Ranomasimbe indiana, izay tanterahina eto amintsika, amin’ny tapaky ny volana aprily hoavy izao.  Mifanindran-dalana amin’izany koa ny fahatongavan’ny Filoha frantsay eto Madagasikara. Araka izany, tsy mandehandeha fahatany ireny karazana asa fanakorontanana tian’ireo sokajin’olona ireo hahatongavana, mba hanaratsiana endrika ny firenentsika malagasy. Heverina fa tsy vahaolana velively ny fikatsahana tsy filaminana, izay tsy hitondra vokatsoa ho an’ny Firenena velively, fa ny fibanjinana ny fampandrosoana ny Firenena no tokony hifantohana.

Rado Harivelo

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer