Songadim-baovaoTrangam-piaraha-monina

FIARA « 4L » NOTRONGISIN’NY KAMIAO: Potika tsy nisy noraisina, maty ireo mpivady tao anatiny

Nitrangana lozam-pifamoivoizana mahatsiravina teny Ambohimangakely, ny alin’ny alakamisy 03 aprily lasa teo, tokony ho tamin’ny 10 ora alina, teo amin’ny PK8+500, teo amin’ny toerana antsoina hoe KCLUB, ao amin’ny Fokontany Ankadindambo, Kaominina Ambanivohitra Ambohimangakely, Distrikan’Antananarivo Avaradrano. Kamiao lehibe « semi-remorque » no nitrongy fiara kely « 4L » tamin’izany, izay samy avy any Ambohimahitsy hihazo an’Ambohimangakely. Noho ny dona mafy nahazo ilay fiara kely tamin’izany, dia nifatratra tany aminy fiara lehibe iray hafa « semi-remorque » avy any Ambohimangakely hihazo an’Ambohimahitsy ihany koa, ilay fiara « 4L ». Potika tanteraka ilay fiara « 4L » taorian’izay, ka voapotsitra tao ny mpivady tao anatiny. Naratra be noho izany,  ireto farany, saingy teny an-dalana nitondrana azy ireo hihazo ny hopitaly etsy Soavinandriana, no namoy ny ainy izy ireo. Taorian’ny loza anefa, dia nitsoaka nihazo ny lalam-pirenena faharoa ilay fiara nitrongy ilay fiara kely tamin’ny voalohany, raha nijanona teo kosa, ilay fiarabe iray. Raikitra avy hatrany ny savahao sy fifanenjehana io fiara lehibe io, ka nampandrenesina avy hatrany ny zandary rehetra miasa amin’ny RN2, ka omaly zoma 04 aprily, tokony ho tamin’ny 01 ora maraina no voasakana tao aminy sakan’ny « Poste avancé » Ambatolaona ilay fiara « semi-remorque » nitsoaka. Notazomina avy hatrany ny mpamily, ary nogiazana ny fiara. Nahitana fahapotehana ihany koa ireo fiara lehibe roa. Nakarina eto Antananarivo atao andrimaso eny amin’ny Mpitandro filaminana ilay mpamily mba  hanaovana fanadihadiana. Ny zandary ao Ambohimangakely no misahana ny famotorana ity raharaha ity.

Stan R.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer