PolitikaSongadim-baovao
DISTRIKAN’I MANJAKANDRIANA : Ben’ny tanàna miisa 25 napetraka tamin’ny fomba ofisialy
Notontosaina omaly ny lanonana fametrahana tamin’ny fomba ofisialy ireo Ben’ny tanàna miisa 25 mianadahy voafidy tao anatin’ny Distrikan’i Manjakandriana. Teo ambany fiahian’Andriamatoa jeneraly Ravalomanana Richard, Filohan’ny Antenimierandoholona, ny lanonana ary tonga nanatrika izany ny tenany amin’ny maha mpiahy ny Vondrom-bahoakam-paritra Itsinjaram-pahefana ny Antenimierandoholona. Nanotrona azy tamin’izany Ramatoa Loholon’i Madagasikara Lalatiana Rakotondrazafy.
Nandritra ny kabary nataon’Andriamatoa Filohan’ny Antenimierandoholona no nitsofany rano sy nirariany soa ireo Ben’ny Tanàna hahavita be amin’ny asa miandry azy ireo ho an’ny Tanindrazana. Tokony hialàna, hoy izy, ny toe-tsaina ory hava-manana sy ny fialonana, fa mila miara-mientana sy mifanome tanana ny rehetra mba hisian’ny fampandrosoana eny ifotony. Nanentana ny tsirairay izy arak’izany mba hanamafy hatrany ny fihavanana, handala ny firaisankina ary hitandro hatrany ny fifankatiavana; izay antoka lehibe mampisy fampandrosoana.
Ireo Ben’ny Tanàna hoy Andriamatoa jeneraly Ravalomanana Richard dia tokony hijery izay mahasoa ny vahoaka ao aminy sy izay mampandroso ny kaominina tantaniny. Ny tanjona dia ny hametrahana fahatsiarovana tsara mandritra ny fotoana itantanana ny kaominina hoy hatrany Andriamatoa Filohan’ny Antenimierandoholona.
Fiarahamiasa amin’ny Fanjakana
Ankoatra izay dia tokony hiara-hiasa amin’ny Fanjakana mahefa izay manatanteraka ny asa fampandrosoana eny ifotony ireo Ben’ny Tanàna, hoy Andriamatoa jeneraly Ravalomanana Richard. Ny Andrimpanjakana izay tantaniny etsy ankilany dia vonona hiara-hiasa amin’ireo Ben’ny Tanàna manerana ny Nosy amin’ny alalan’ny fanomezana tan-tsoroka sy fampitana ny fitarainana na ny hetahetan’izy ireo any amin’ny Fahefana Mpanatanteraka.
Mbola nampahatsiahivin’Andriamatoa jeneraly Ravalomanana Richard nandritra ny fandraisam-pitenenany ihany koa ny anjara asan’ny vahoaka eny ifotony amin’ny fikajiana sy fanaraha-maso ary fikolokoloana ny fananana iombonana. Ny mponina eny ifotony hoy izy no misitraka ny tombotsoa azo amin’ireny fotodrafitrasa atsangana eny anivon’ny Kaominina ireny, ka tokony hanana fahasahiana mitoroka izy ireo raha mahatsikaritra trangana tsy fanarahan-dalàna na tsy fikojakojana azy ireny.
Ho fanampiana ireo Ben’ny Tanàna amin’ny fanatanterahana ny asa aman’andraikitra sahanin’izy ireo dia nanolotra tso-drano (lelavola) ho azy ireo Andriamatoa Filohan’ny Antenimierandoholona.
Ny Fanoratana.


