Songadim-baovaoToekarena

VIDIN-TSOLIKA: Niakatra 200Ar ny litatra amin’ny Solika fandrehitra

Araka ny efa nampahafantarina ombieny ombieny dia misy hatrany ny fiovana eo amin’ny vidin-tsolika isaky ny fiandohan’ny volana tahaka izao, miainga amin’ny zava-misy manerantany. Ny faran’ny herinandro teo, araka izany,  no fampiharana fahaefatra ny fiovan’ny vidin-tsolika izay faritan’ny didim-panjakana laharana 2025-045 tamin’ny 17 janoary 2025 ireo mpisehatra amin’izany.

Noho izany,  tsy niova ny vidin’ny lasantsy, izay mbola mijanona ho 5 320Ar/L. Ny gazoala ihany koa dia 4 970 Ar/L ihany.  Ny Solika fandrehitra na ny Pétrole Lampant no nahitana fiakarany 200Ar, izany hoe lasa : 3030 Ar/l nahitana fiakarana. « Tsy lavitra be fa mihoatra kely ny marina mitombina amin’ny vidin-tsolika « vérité de prix » isika amin’izao. 600 Ar ny elanelana misy izay ezahana tratrarina tsikelikely ho fitsinjovana ny toekaren’ny firenena sy ny fahafahan’ny mpanjifa », hoy ny tale jeneraly mpisolo toerana eo anivon’ny OMH, Raveloson Cydolain ny5 aprily teo.

Tsara marihana fa ho an’ireo toby mpaninjara solika izay any amin’ny toerana mihoatra ny 15 kilometratra miala ny toby fitahirizan-tsolika, dia misy ny saram-pitaterana fanampiny izay mihatra amin’ny vidin-tsolika.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer