PolitikaSongadim-baovao

FISISIHANA HANAO TATITRA TAO TOLIARA: Nandika lalàna ireo Solombavambahoaka mpanohitra

Manoloana ny fisisihana hanaovana tatitra ho an’ny vahoaka ny asa vita nandritra ny fotoam-pivoriana farany, izay nokasain’ireo Solombavambahoaka maromaro avy eo anivon’ny fanoherana tonga tany Toliara, dia nivoaka tamin’ny fahanginany ny teo anivon’ny Birao maharitry ny Antenimierampirenena sy ireo Solombavambahoaka maro an’isa eo anivon’izany Andrimpanjakana izany. Nambaran’izy ireo tamin’izany, fa tany tan-dalàna i Madagasikara fa tsy fanjakan’ny baroa, na an’ny be hozatra. Misy lalàna mifehy azy ny firenena ka tsy misy olona ambony lalàna na inona toerana misy azy, na ny sata mifehy azy fa samy fehezin’ny lalàna. Marihina, fa famoriam-bahoaka tsy nahazoana alalana no nokasain’ireo Depiote natao tany an-toerana. Teo koa ny voalaza fa fanakorontanana filaminam-bahoaka sy fampiasana haino aman-jery aman-tambazotran-tserasera entina handranitana sy hanaovana fiantsiana, ary ny fampiasana hery amin’ny Mpitandro filaminana sy fandoroana ary fanimbana fananan’olona eo anatrehan’ny hevitra politika tsy mitovy. Nambara, fa ananan’ny Birao maharitry ny Antenimierampirenena sy ireo Solombavambahoaka maro an’isa adidy ny mampahatsiahy amin’ny Solombavambahoaka tsirairay sy ireo tompon’andraikitra isan’ambaratongany manerana ny Nosy ny lalàna mifehy voarakitra ao amin’ny Fitsipika anaty mifehy ny Antenimierampirenena, ao amin’ny andininy faha-207. Izany dia milaza, fa takiana amin’ny Solombavambahoaka tsirairay ny mampahafantatra amin’ny alalan’ny fanaovana tatitra isaky ny vita fotoam-pivoriana any amin’ny Fari-piadidiana nahalany azy avy, ary tsy azon’izy ireo hatao kosa, ny manao tatitra ho an’ny vahoaka ivelan’ny faritra nahalany azy. Nanamafy izany ny Filohan’ny Antenimierampirenena, Tokely Justin, tamin’ny alalan’ny Naoty voasonia navoakany, omaly, alatsinainy 07 aprily 2025. Melohin’izy ireo an-kitsirano noho izany, ny fihoaram-pefy sy ny fandikana ny Fitsipika anaty mifehy ny Antenimierampirenena, ary ny fanitsakitsahana ny lalàna velona eto amin’ny tany sy ny firenena.

Takian’izy ireo, araka izany, ny fampiharana tsy misy fepetra ny fanasaziana ho an’ireo izay ninia nanao izany na mivantana na an-kolaka, ary tsy azo ekena ny fanakorontanna ara-politika atao eto amin’ny firenena ka hialokalofana amin’ny filazana ho fiarovana ny vahoaka, kanefa fikasana fanonganam-panjakana no ao ambadik’izany. Miantso fitoniana ho an’ny vahoaka malagasy, fa indrindra ny vahoakan’i Toliara izy ireo, manoloana ny fikasan-dratsy ataon’ireo te hamboly korontana eto amin’ny firenena. Ny Mpampaka-teny Jeneraly eo anivon’ny Antenimierampirenena, Milavonjy Philobert, no namaky ny fanambarana tamin’izany, notronon’ny Filoha lefitry ny Antenimierampirenena ao amin’ny Faritanin’i Fianarantsoa, Haingo Nambinina Fomendraza, ary ireo Depiote IRMAR vitsivitsy.

Stan R.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer