Songadim-baovaoToekarena
FANATSARANA NY SEHA-PIHARIANA RONONO : Hanafatra ombivavy beronona 1000 isa ny Fanjakana
« Mbola tsy ampy be dia be ny sehatry ny famokarana ronono eto amintsika, na izany eo amin’ny kalitao, na amin’ny habetsaka », hoy ny minisitry ny Fambelona sy ny Fiompiana ary ny Jono, Ranarivelo Fanomezantsoa Lucien, omaly.
Tsy maharaka ny tinady eto amin’ny tsena anatiny ny vokatra vokarin’ny tantsaha, hoy izy, ka ilàna fanohanana. Hatreto, mbola manafatra ronono i Madagasikara. Veliranon’ny Filohan’ny Repoblika anefa ny fahavitan-tena ara-tsakafo, isan’izany ny hahafahan’ny Malagasy mahaleo tena amin’ny vokatra ronono. Tsy maintsy nametraka paikady, noho izany, ny Fitondram-panjakana. Izany no antony nampidirana tao anatin’ny Tetibolam-panjakana nasiam-panitsiana 2020, ny vola izay hanafarana ombivavy beronona miisa 1000 avy any ivelany. « Izany no hatao dia mba hanohanana ny seha-pihariana ronono eto Madagasikara amin’ny ankapobeny », hoy ny minisitra. Hatreto, faritra telo no tena mpamokatra ronono eto Madagasikara, dia ny Faritra Analamanga, Itasy, ary Vakinkaratra. Izy ireo ilay antsoina ihany koa hoe “Triangle du lait”. Tsy mahasahana ny filàn’ireo orinasa mpanodina ronono eto amintsika anefa ny vokatra vokarin’izy ireo. Laharam-pahamehana, noho izany, ny fampiakarana ny taha-pamokarana. Ka tsy maitsy hatao amin’ity taona ity ny fanafarana ireo ombivavy beronono ireo, hoy ny minisitra.
Mifanindra an-dalana amin’ny “Titre Vert”
Madagasikara dia ao anatin’ny vondrona iraisam-pirenena miahy ny fahasalaman’ny biby. Noho izany, tsy maintsy jerena ny zava-misy ara-pahasalaman’ny biby eto Madagasikara, sy indrindra koa, any amin’ny firenena hanafarana ny ombivavy. Tanjona ny tsy hitondran’ireo omby vao hafarana aretin’omby vaovao eto an-tanindrazana indray, hoy ny fanazavana. Efa eo am-pandinihana izany ireo teknisianina eo anivon’ny minisitera. Misy ampahany izay famatsiam-bola avy amin’ny tetikasa Casef, sy avy amin’ny “Fonds de Développement Agricole”, no hahafahana manatanteraka io tetikasa io. Ity vinan’ny Fanjakana ity izay mifanindra an-dalana amin’ny fisian’ny tetikasa “Titre Vert” izay nambaran’ny Filoham-pirenena tany Vakinankaratra, roa herinandro lasa izay. Raha tsiahivina, ny tetikasa “Titre vert” dia natao ho fanohanana sy fanomezana tany ho an’ireo rehetra te hisehatra amin’ny asa famokarana sakafo eto Madagasikara, indrindra ny tanora. Tsy tany ihany no omena amin’izany fa trano fonenana manarapenitra koa. Hisy koa fampitaovana sy vola homena. Mila miditra amin’ny sehatra matihanina kosa anefa ireo hisitraka io tetikasa io, araka ny fanazavana. Eo anatrehan’izany, anisany hahazo amin’ireo ombivavy vao hafarana ireo, ny olona mpisitraka amin’ilay tetikasa “Titre vert”, hoy ny minisitra tompon’andraikitra. Ankoatra ireo, betsaka ny tetikasa mandeha ankehitriny ho fampiroboroboana ny seha-pihariana ronono, amin’ny alalan’ny tetikasa Casef. Ity farany izay vao avy nanolotra fampitaovana ireo tantsaha mpamokatra ronono, omaly. Bisikileta, “Ruban zoometrique”, “Thermomètre”, “Seringue avec ainguille”, “Combinaison”, “Paire de bottes agricoles », ary Bidon amin’ny 30litatra miisa 750 no natolotra tamin’izany.




