PolitikaSongadim-baovaoToekarena
FARITRA VAKINANKARATRA : Nisantarana ny fakan-kevitra isam-paritra ho famahana ny olan’ny seha-pihariana omby
Ho tohin’ny asa efa natomboka tao anatin’ny « espace de dialogue » teto Antananarivo, nandraisan’ireo mpisehatra rehetra voakasiky ny fiompiana omby, dia tany Antsirabe renivohitry ny Faritra Vakinankaratra no natomboka ny dinika fitetezam-paritra izay sosokevitra naroson’ny fari-piadidian’ny zandarmariampirenena Antananarivo (CIRGN).
Ny Alatsinainy teo, araka izany, tao amin’ny efitrano malalaky ny Prefektioran’Antsirabe no natao ny loa-bary an-dasy hakana ny hevitr’ireo voakasika rehetra : sampan-draharaham-panjakana avy amin’ny lafin-tany notarihan’ny Prefen’Antsirabe, ny Minisiteran’ny Fambolena sy ny Fiompiana, ny mpitandro filaminana, ny Tonian’ny Mpampanoa Lalàna, ny Ben’ny tanàna manerana ny Faritra, ny fikambanan’ny mpiompy omby miara-dia, ny holafitry ny dokotera veterinera, ny sendikan’ny dokotera veterinera, ny delegem-panjakana samihafa…
« Namaly ny antso ihany koa ireo solombavambahoaka avy amin’ny faritra Vakinankaratra izay isaorako manokana etoana satria naneho fahavononana izy ireo hanampy amin’ny dingana araky ny lalàna (démarche législative) izay hatao », hoy ny tatitry ny Loholona Lalatiana Rakotondrazafy.
Misy ny hevitra azo raisina avy hatrany ary hampitaina amin’ny mpanatanteraka mba handraisan’izy ireo ny fepetra hamahana ny olan’ny tantsaha mpiompy omby, indrindra ny mikasika ny « Imprimerie nationale » amin’ireo bokin’omby sy « imprimés » isan-karazany manana « valeurs fudiciaires » ilain’ny communes handrindrana ny resaka fiompiana omby (FIB, …) izay tena mampitaraina ireo mpisehatra eny ifotony. Misy kosa ny tsy maintsy hikitihana ny lalàna mba hampifandraisina amin’ny zava-misy tena iainan’izy ireo. Ny tanjona dia ny hahamora ny fikirakirana ny taratasy rehetra manodidina ny fiompiana omby mba tsy hanome vahana ny kolikoly intsony, araka ny fanazavana hatrany.
Hotohizana any Bongolava ny fakan-kevitra amin’ny alalan’ny « espace de dialogue » manaraka, raha ny angom-baritra.
Ny Fanoratana.




