PolitikaSongadim-baovaoToekarena

SAVOROVORO TAO TSIROANOMANDIDY: Maty ilay tovolahy nalaina an-keriny, nitaky ny hamonoana ny nahavanon-doza ny vahoaka

Poa-basy tsy nifandrenesana no nitranga tao an-tampon-tanànan’i Tsiroanomandidy, omaly alina. Andian’olona mitaky fitsaram-bahoaka olona iray voasambotra sy notànana ao amin’ny biraon’ny Polisy any an-toerana no anton’izany, raha ny fampitam-baovao voaray. Tovolahy iray antsoina hoe Faneva, no nisy naka an-keriny efa ho 10 andro lasa izay, ary hita faty omaly, tany an-toerana ihany, saingy efa potika ary saika tsy nisy nahafantarana azy intsony raha tsy ny loha sy ny fitafiany. Araka ny loharanom-baovao hatrany, dia notapahin’ireo olon-dratsy ny tendany. Anton’io habibiana io, dia fantatra, fa tsy nahazo ny vola takalon’aina avy tamin’ny fianakaviany ireo tsivalahara. Rehefa nandeha ny fanadihadiana mikasika ity raharaha ity, dia olona iray voalaza fa isan’ireo nahavanon-doza no voasambotry ny mpitandro filaminana avy amin’ny Kaomisarian’ny Polisim-pirenena ao Tsiroanomandidy. Nony ren’ny fokonolona anefa izany, dia nirohotra nihazo ny Biraon’ny Kaomisaria ireto farany, nitaky ny hamotsorana ilay nahavanon-doza mba hamonoany azy. Eo anatrehan’izany anefa, amin’ny maha tobin’ny mpitandro filaminana ny ao an-toerana, dia manana adidy hiaro izany ny Polisy miasa ao Tsiroanomandidy, noho ny fisiana fitaovam-piadiana ao. Eo ihany koa ny fisorohana fitsaram-bahoaka izay tsy eken’ny lalàna eto amintsika. Nandray fepetra nentina nanaparitahana ireo fokonolona tamin’izany ny mpitandro filaminana, ka nanao tifi-danitra sy nanapoaka baomba mandatsa-dranomaso. Andrasana ny tohin’ity raharaha sy ny fampitam-baovao avy amin’ny Polisim-pirenena momba ity tranga ao Tsiroanomandidy ity.

Nangonin’i Stan R.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer