Songadim-baovaoTrangam-piaraha-monina
TOHIN’NY RAHARAHA FANEVA TSIROANOMANDIDY: Olona 09 voarohirohy, 07 nadoboka eny Tsiafahy sy Antanimora
Mitàna ny sain’ny maro ankehitriny ny raharaha mikasika ilay tovolahy iray 22 taona, nalaina an-keriny sy novonoina tamin’ny fomba feno habibiana tao Tsiroanomandidy. Olona 09 no voarohirohy taorian’ny nahitana ny vata mangatsiakany, ka ny 07 natao am-ponja vonjimaika rehefa niatrika ny Fampanoavana…
Nizotra haingana ary nahitam-bokany ny fanadihadiana sy ny fikarohana nataon’ny Polisim-pirenena ireo izay nahavanon-doza mikasika ny raharaha vono olona feno habibiana taorian’ny fakàna an-keriny an-dRakotoniaina Mihaja Faneva, tao Tsiroanimandidy. Olona miisa 09 no voarohirohy tamin’ity raharaha ity, ka nisy tamin’izany nandray anjara mivantana sy an-kolaka. Rehefa natolotra ny Fampanoavana omaly alakamisy 10 aprily ny raharaha, dia naiditra am-ponja vonjimaika eny Tsiafahy sy Antanimora ny 07, izay ahitana vehivavy 02. Raha ny tatitra voaray dia vokatry ny disadisam-piarahamonina sy ny lonilony no antony. Nisy tamin’ireo voarohirohy olona akaiky an’i Faneva. Ny voalohany no nanakarama ny iray tamin’ireo voampanga sy ny ekipany rehefa fantany fa hovonoina ity farany. Ny faharoa izay nanampy ny iray tamin’ireo voampanga tamin’ny fiketrehana ity raharaha maloto ity. Ankoatra izay, iray tamin’ireo voampanga no nitondra ny “puce” nitakiana vola takalon’aina, nisy nanambana basy. Nisy koa nisambotra sy namono mivantana ary nandevina an’i Faneva. Tao koa ny nibata azy ho ao anaty fiara.
Fandrahonana ho faty…
Raha ny fizotr’ity fakàna an-keriny ity dia fantatra, fa nanomboka ny alin’ny zoma 28 martsa 2025. Nandeha nitsidika ny sakaizany tao Avaratsena Tsiroanomandidy izy tamin’io, ary nisy olon-tsy fantatra niantso azy. Nanomboka teo anefa, no tsy nahitana azy intsony. Ny 29 martsa maraina dia tonga nanao fitarainana tao amin’ny Kaomisarian’ny Polisy sy ny Zandary ao Tsiroanomandidy ny Renin’i Faneva, nilaza fa nalain’olona an-keriny ny zanany lahy, ary nitaky vola 10 tapitrisa Ariary taminy ireo mpàka an-keriny, no sady nandrahona hamono ho faty ny zanany. Fantatra tamin’ny fanadihadian’ny mpitandro filaminana, fa ny findain’i Faneva no nampiasain’ireo nahavanon-doza nanaovana antso sy nitakiana vola tamin’ny fianakaviany, narahina fandrahonana. Tamin’ny famotorana ny iray tamin’ireo voarohirohy moa, dia niaiky ny tenany fa izy no nitarika sy nikotrika ny fakàna an-keriny io, ary nambarany fa novonoina tamin’io alina io ihany i Faneva, tao amin’ny tranony tao Atsenakisoa, Fokontany Tsaralalana. Nalevina tao Tsarasaotra, Fokontany Anosivola, Kaominina Tsiroanomandidy, ny faty taorian’izay.
Hita faty 12 andro taty aoriana
Ny alarobia 09 aprily 2025 tokony ho tamin’ny 03 ora sy sasany tolakandro no nahitana an’i Faneva, tao Amparihivato, Fokontany Anosivola Tsiroanomandidy, tamin’ny alalan’ny fidinana manokana nataona manam-pahefana isan-tsokajiny, saingy efa tsy nisy aina intsony. Lavaka lalina mirefy 06 metatra no nahitana an’i Faneva tamin’izany. Mbola nifatotra izy, ary nahitana fivontosana maro. Voadidy ihany koa ny tendany raha ny fantatra, ary nahitana fivontosana ny tenany. Fantatra tamin’izany fa efa fotoana ela no nahafaty an’i Faneva.
Tonia Mpampanoa TPI Tsiroanomandidy
Nanamafy ny Tonia Mpampanoa lalàna eo anivon’ny Fitsarana Ambaratonga voalohany Tsiroanomandidy, Randrianomenjanahary Lalaina, fa efa tsy misy voampanga tazonin’ny Polisy voakasik’ity raharaha ity intsony any an-toerana. Mikasika ny zava-misy tamin’ny alin’ny alarobia lasa teo indray, dia nambarany, fa ankoatra ny fahatezeran’ny mponina dia nisy nikasa hanakorontana tsotra izao, izay ivelan’ny fianakaviana sy olom-pantatry ny niharam-boina. Tamin’ny misasakalin’io ihany dia nanomboka nilamina tao Tsiroanomandidy. Tsy nisy naratra na ny namoy ny ainy tamin’ireo fokonolona tonga teo amin’ny kaomisaria, vokatry ny fahaiza-manaon’ireo Mpitandro filaminana. Ankoatr’io, tany amin’ny fasan’ny Antandroy io toerana nahitana ny fatin’i Faneva io, izay fahitana niainga avy tamin’ny fiaiken’ny voarohirohy voasambotra mialoha. Efa tonga tao Mahitsy, Distrikan’Ambohidratrimo ny nofo mangatsiakan’i Faneva, omaly, nanatanterahan’ny fianakaviana ny adidy farany aminy.
Stanislas R.



