
Songadim-baovaoToekarena
FIHAONANA AN-TAMPON’NY COI ANDIANY FAHA-5: Manolo-tanana ny Fanjakana ireo sehatra tsy miankina
Tontosa tetsy amin’ny Centre de Commandement Opérationnel – Barea Mahamasina ny fifanaovantsonia fifanaraham-piaraha-miasa teo amin’ny Minisiteran’ny Raharaham-bahiny sy ireo mpiara-miombon’antoka eo amin’ny sehatra tsy miankina, izay notarihin-dRamatoa Rasata Rafaravavitafika, Minisitry ny Raharaham-bahiny. Isan’ireo mpiara-miasa tsy miankina, mandray anjara mba hampahomby ity fandraisana ity ny Groupe Filatex, AGF Bank Madagascar, Esanandro sy ny Ecoprim ary Ocean Trade.
Nandritra ny lanonana no nitondran-dRamatoa Minisitra ny fankasitrahana avy amin’ny Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina sy ny Governemanta iray manontolo noho izao fanoloran-tena asehon’ny sehatra tsy miankina izao. Zava-dehibe amin’ny fahombiazan’ity hetsika ara-diplomatika goavana manana ny lazany aty amin’ny faritra ity, hoy Ramatoa Minisitra, izao fandraisan’anjaran’ny orinasa tsy miankina izao.
Amin’izao tapa-bolana mialoha ny hetsika izao, dia mahavelom-bolo ny mahita ny fiaraha-mientan’ireo mpiara-miombon’antoka toa izao. Fahombiazan’ny diplomasia, hoy Ramatoa Minisitra izao fiaraha-mientan’ny hery velona rehetra izao, hampamiratra an’i Madagasikara eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Am-pitoniana sy fahatokiana tanteraka araka izany no iatrehan’i Madagasikara ny famaramparanana ny fiomanana rehetra, manodidina ity hetsika lehibe manatantara aty amin’ny faritry ny indianocéanie ity.
Asa mivaingana
Anisan’ireo manolo-tanana amin’ity fandraisana ny fihaonambe ity ny Groupe Filatex, nitondra fahazavana ireo andraikitra horaisiny i Tahina ramaromandray Tale jeneralin’ny Afripower. Ity fifanarahana ity dia manamafy ny fanoloran-tenany ho an’ny Fanjakana Malagasy sy ny fandrosoan’ny firenena, ka maneho ho mpiara-miombon’antoka matanjaka amin’ny fampiroboroboana diplomasia ara-toekarena maoderina miorina amin’ny fiaraha-miasa isam-paritra sy ny fampiasana amin’ny tokony ho izy ireo loharanon-karena nasionaly.
Asa mivaingana no ho ataon’ny Groupe Filatex ho fanohanana ny fihaonambe, anisan’izany ny famatsiana herinaratra 52,5 MW avy amin’ny toby hybrid ao Mandroseza sy Antsirabe, hanamafisana ny tambazotra interconnecté eto Antananarivo. Tombanana fa efa mitentina amin’ny 40%-n’ny filàn’ny renivohitra no efa voasariky ny tambazotra tantanan’ny Groupe Filatex. Fametrahana jiro an-dalambe miisa 370, avy amin’ny angovo azo havaozina, ho fanamafisana ny fanazavana sy ny fiarovana amin’ireo faritra maro eto an-drenivohitra. Fanatsarana sy fametrahana haingo amin’ireo boriborintany, izay maneho ny fandraisana anjaran’ny Groupe Filatex amin’ny fanavaozana sy hanatsarana ny endriky ny tanàna.
Ireo ezaka ireo dia porofo fa mihoatra noho ny fanohanana ara-logistika tsotra no atao. Maneho mazava koa ireo ny finiavan’ny Groupe Filatex ny handray andraikitra lehibe amin’ny fanovàna ny endriky ny firenena, ary koa amin’ny fanamafisana ny sarin’i Madagasikara amin’ny sehatra iraisam-pirenena sy isam-paritra.
Vinavinan’ny Filatex: Madagasikara ho ivon’ny fandrosoana
Amin’ny maha-orinasa tsy miankina malagasy azy, ny Groupe Filatex dia manana tanjona hanova an’i Madagasikara ho ivon’ny fandriampahalemana, fandrosoana ary fanavaozana eto amin’ny faritra. Amin’ny alalan’ny fiaraha-miasa amin’ny fanjakana, dia mampiseho fa afaka mitondra anjara biriky lehibe amin’ny fampandresena ny diplomatia sy ny fandrosoana ny sehatra tsy miankina.
Tsiahivina fa niorina teto Madagasikara tamin’ny taona 1979 ny Groupe Filatex. Ity farany, izay tarihin’i Hasnaine Yavarhoussen, dia mpisehatra lehibe amin’ny sehatra efatra: angovo (Filatex Énergies), trano sy tanàna (Filatex Immobilier), faritra ara-indostria (Zones Industrielles Filatex), ary fampiasam-bola misy fiantraikany (Filatex Ventures). Manana tanjona mazava izy: “Manorina ny ho avy”, amin’ny alalan’ny fandraisana andraikitra ho an’ny fampandrosoana maharitra sy iombonana, eto Madagasikara sy any ivelany.
Njaratiana




