Fanadihadiana Manokana

FIVOARAN’NY FIZAHANTANY ANATINY: Nitombo 20% ny antontanisan’ireo mpitsidika tato anatin’ny 3 taona

Roa volana eo sisa dia hiditra amin’ny fialan-tsasatra lehibe ireo mpianatra. Manomboka miditra tsikelikely amin’ny fotoana mahabetsaka ireo mpizahatany ihany koa isika ankehitriny. Ho fihomanana amin’ny fampiroboroboana ny fizahantany anatiny, noho izany, dia notanterahana tamin’ity herinandro ity ny hetsika “Tsenaben’ny Fizahantany” andiany fahasivy. Hetsika natao hisintonana ireo mpanao fizahantany anatiny izay tsy mitsahatra mivoatra amin’izao fotoana. Nitombo 20% ny antontanisan’ireo mpitsidika tato anatin’ny 3 taona farany.

Nanomboka tamin’ny fisian’ny valanaretina Covid-19 no tena nampiroboroboana ny fizahantany anatiny teto Madagasikara satria tsy afaka nandray ireo vahiny avy any ivelany isika. “Nanomboka teo dia nihanahay sy nihazatra nizahatany ny Malagasy”, hoy ny fanehoan-kevitry ny Tale Jeneralin’ny Fizahantany eo anivon’ny Ministeran’ny Fizahantany sy ny Asa tanana Sandra Affick Ramarolahy. Izany hoe lasa nahay ny atao hoe fizahantany ny fianakaviana malagasy. Tsy miala sasatra any amin’ireo fianakaviana fotsiny ihany fa manatona manokana ireny mpikarakara dia ireny. Efa mahafehy tsara ihany koa ny fandrindrana mialoha ny fitsidihana izay ataony. Ankoatra io, raha toa ka mandeha amin’ny toerana misy ranomasina no mahazatra ny ankamaroan’ireo mpizahatany anatiny hatramin’izay dia fironana misy ankehitriny ny fisafidianana manokana ny fitsidihana ireny toerana misy valanjavaboary ireny. “Mahay miala voly sy miala sasatra ny Malagasy”, hoy hatrany ny fanazavana. Mivoatra izy ireo amin’ny safidin’ny toerana ho tsidihana. Toerana safidy voalohan’ireo mpanao fizahantany anatiny, ohatra, ny any Mahajanga sy Foulpointe teo aloha. Ankehitriny, mahasarika ny maro ny mandeha mizaha an’i Nosy Be sy Taolagnaro. Ireo toerana ireo izay sokajiana hatrany fa tsy misy afa-tsy ireo vahiny avy any ivelany no tonga maro mitsidika any.

Mivoatra, noho izany, ny sehatry ny fizahantany anatiny eto Madagasikara. Miainga avy amin’ny antontanisan’ny MNP (Madagascar National Parks) izay mitantana valanjavaboary maro eto Madagasikara, toerana fandehanan’ireo mpanao fizahantany anatiny, dia maherin’ny 70 000 ireo olona tonga nanao izay fizahantany anatiny izay tamin’ny taona 2024 raha toa ka manodidina ny 63 000 ny antontanisa tamin’ny taona 2023. Nahitana fiakarany manodidina ny 20% izany. Antenaina fa hiroborobo hatrany izany satria raha ny vinavina dia maherin’ny 2 000 000 ireo Malagasy afaka manjifa ny tolotra ara-pizahantany misy eto amintsika.

Fanatsarana tolotra isam-paritra

Ho fitodihana amin’izay fampiroboroboana ny fizahantany anatiny izay, araka izany, dia misokatra ho an’ny rehetra ny hetsika “Tsenaben’ny Fizahantany” andiany fahasivy, atao eny Antaninarenina izay mifarana amin’ity anio ity. Hetsika natao hanomezana vahana ireo mpisehatra amin’ny fizahantany io ka hisarihana ireo liana amin’izay fizahantany anatiny izay. Tanjona ny hahazoana mpitsidika hatramin’ny 8 000 nandritra izay telo andron’ny hetsika izay, araka ny fanazavana avy amin’ny filohan’ny filan-kevim-pitantanan’ny ONTM (Office National du Tourisme de Madagascar), Ionjaniaina Ranaivoarimanana.
Araka izany, tolotra marolafy no havondrana amin’ny toerana iray eny Antaninarenina mandritra io “Tsenaben’ny Fizahantany” io. Iraisan’ireo mpisehatra rehetra ny fanomezana fihenam-bidy amin’ny fisitrahan’ireo mpanjifa tolotra ka tafakatra hatramin’ny 20% izay fihenam-bidy izay. Ankoatra io, mampiavaka io andian’ny fahasivin’ny hetsika io ihany koa ny fanatsaran’ny isam-paritra ireo tolotra ara-pizahantany ao aminy. Ampahafantarina mandritra ny hetsika izany fanatsarana izany. Misongadina ao anatin’izany ny fanomezana toeram-pitsidihana vaovao, mety mahaliana ireo mpanao fizahantany anatiny sy ireo mpitsidika avy any ivelany. Ohatra amin’izany ny fitsidihana an’i Tsimanampetsotsa izay mbola vitsy no mahafantatra fa azo tsidihana tsara izany.

Hahafahana mamaly hatrany ny filàn’ireo mpanjifa dia manentana hatrany ireo mpisehatra amin’ny fizahahantany mba ho matihanina sy hampitombo hatrany ny traikefany ny ONTM. Rehefa afa-po ny mpanjifa sy ireo mpitsidika dia tamana, miverina foana manao ny fizahahantaniny izy. Hiroborobo, araka izany, ny fizahantany anatiny ary hisarika ihany koa ny fitsidihan’ny vahiny avy any ivelany.

 

Mifototra amin’ny fanarahan-dalàna

Mba hananana izay sehatra matihanina izay dia manan-danja ny fanarahan-dalàna. Paikadin’ny Ministeran’ny Fizahantany sy ny Asa tanana ny hampidirana ireo mpisehatra rehetra amin’ny fizahantany ao anatin’ny fanarahan-dalàna. Noho izany, manamafy fanentanana ireo mpisehatra ny tompon’andraikitra.

Nohazavain-dRamatoa Tale Jeneralin’ny asa tanana fa tsy ny fananan’ny trano fandraisam-bahiny na toeram-pisakafoana iray laharana “Nif sy Stat”, ohatra, no hilazana fa manara-dalàna izy ireo. Mila manana ny “autorisation préalable” sy ny “autorisation d’ouverture” avy amin’ny Ministera izy ireo izay vao tafiditra amin’izany sokajin’ny mpanara-dalàna izany. Mila manana ny “licence” kosa izy raha mpikaraka dia, ary tokony hanana ny “licence C” ny mpisehatra raha “prestataire touristique”.  Any amin’ny Ministera, ary tsy andoavam-bola, ny fikarakarana ireo taratasy ireo. Manentana ny mpisehatra mba hanatona ny Ministera, ireo fitaleavana isam-paritra, na ny EDBM ny tompon’andraikitra amin’ny fikarakarana izany. Ankilany, manainga ireo mpisehatra amin’ny fandoavan-ketra ihany koa ny tompon’andraikitra. Ireny hetra ireny no entina sy ampiasaina amin’ny fampiroboroboana ny fizahantany eto Madagasikara.

Nangonin’i Sarobidy Sidonie.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer