Trangam-piaraha-monina
FISANDOHANA : Nidoboka am-ponja ilay Ramatoa mpanao diplaoma hosoka
Taorian’ny fametrahana fitoriana nataona Talen-tsekoly ambony tsy miankina iray, ny 31 aogositra lasa teo, momba ny fanaovana diplaoma hosoka amin’ny anaran’ilay sekoly iandraiketany. Voasambotra ny Ramatoa iray tompon’antoka tamin’ny fanaovana diplaoma hosoka. Nampidirina am-ponja vonjimaika izy, taorian’ny fiakarany teny amin’ny Fampanoavana Anosy…

Tsy afa-bela ny Ramatoa iray atidoha nikotrika tamin’ny fanaovana diplaoma hosoka, tamin’ny anaran’ny sekoly tsy miankina amin’ny Fanjakana. Ny 31 aogositra lasa teo, raha ny angom-baovao, nisy Talen-tsekoly ambony tsy miankina amin’ny fanjakana iray nametraka fitoriana tao amin’ny Foibem-pikarohana fandikan-dalàna eo anivon’ny Fibaikoana ny Zandarimariam-pirenena, mahakasika Ramatoa iray manao sy mivarotra diplaoma hosoka, amin’ny anaran’io sekoly io. Tsy vitan’izay, fa mbola mangalatra ny sonian’ny Tale. Taorian’ny fametrahana fitoriana, raikitra avy hatrany ny fikarohana sy ny fitsirihana rehetra. Voasambotra ilay Ramatoa tompon’antoka tamin’ny fanaovana diplaoma hosoka ity. Nandritra ny famotorana natao azy, niaiky ny heloka nataony io Ramatoa io. Nilaza koa izy fa efa maro ny diplaoma namboariny sy efa ampiasain’ireo nividy izany. Vitany koa ny nanova ny lisitr’ireo mpianatra navoakan’ny Sekoly teny amin’ny Sampandraharaha misahana ny fitoviana lenta (équivalence) eo anivon’ny minisiteran’ny Asam-panjakana. Ahina, araka izany, ny fampiasana ireo diplaoma hosoka ireo, nanaovana « reclassement » eny anivon’ny asam-panjakana isan-tokony any.
Karohina ireo mpiray tsikombakomba
Naiditra am-ponja vonjimaika izy rehefa natolotra ny Fitsarana ny raharaha. Ankoatra ity Ramatoa tompon’antoka tamin’ny diplaoma hosoka ity, olona roa hafa no arahin’ny Fitsarana maso akaiky. Mbola mitohy ny fanadihadiana sy fikarohana ireo mpiray tsikombakomba sy ireo nisitraka ireo diplaoma hosoka ireo. Araka izany, manaitra ny sain’ny besinimaro, mba tsy tafiditra ao anatin’ny fandriky ny fanjifana diplaoma hosoka ireny. Tokony hisy aza, ny fiaraha-miasa matotra eo amin’ny samy olom-pirenena, ka hahasahy hitoroka ireo olona mahavita sy miseho mahavita manao diplaoma, izay hosoka satria fanetriben’ny fiarahamonina sy ny tontolon’ny asa. Fampidirana am-ponja avy hatrany ny sazy tandrify ireo manao sy mampiasa hosoka amin’ny diplaoma toa izao.

Nisy fotoana aza, niseho andro tany anaty tambajotra ara-tsosialy « Facebook » mihitsy ireo milaza fa mahavita diplaoma ary sandaina vola an-tapitrisany. Ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy fikarohana ara-tsiansa efa nampitandrina fa melohin’ny lalàna manan-kery ny fanaovana diplaoma hosoka ary hiharan’ny sazy avy hatrany ireo izay tratra manatanteraka izany. Tiana ny manamarika fa manana ny lisitry ny mpiadina rehetra nahazo ny mari-pahaizana bakalorea, ny Oniversite enina eto Madagasikara sy ny minisitera, ka tsy ho sarotra ny manamarina na hosoka na tena izy ny diplaoma iray.




