PolitikaSongadim-baovao

LOHOLONA LALATIANA RAKOTONDRAZAFY: Nitondra valin-kafatra ho an-dRavalomanana sy Rajaonarimampianina

Nitondra fanehoan-kevitra manoloana ny fanambaran’ny Filoha teo aloha roa tonta, dia Ravalomanana Marc sy Rajaonarimampianina Hery, Ramatoa Lalatiana Rakotondrazafy, amin’ny maha Filoha nasionalin’ny Antoko Freedom azy, ary amin’ny maha Loholon’i Madagasikara azy ihany koa. Nambarany fa ratsy toerana ireto Filoha teo aloha ireto raha hiresaka mahakasika ny fahalalahana sy ny tontolo politika eto Madagasikara. Nampahatsiahiviny fa tamin’ny Filoha teo aloha Ravalomanana nitondra firenena dia maro ireo onjampeo sy fahitalavitra ary gazety voatery nikatona. Tsy vitsy ireo mpanao gazety vahiny lasa ivelany noho ny tsindry isankarazany. Teo koa ny fampanginana mpanao gazety, ny fanajanonana fandaharana. « Everiko fa raha miresaka fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety ireo olona ireo dia ratsy toerana ihany », hoy ny fanazavana.

Nanambara koa ny mpanohitra mahakasika ny fanohintohinana ny fanoherana tsy haneho hevitra ankalalahana. Novakiand-Ramatoa Lalatiana Rakotondrazafy bantsilana fa tamin’ny andron’ingahy Marc Ravalomanana indrindra no tena maro ireo gadra politika. Karazana olona maro no naiditra am-ponja tamin’ny fotoam-pitantanan’ity filoha teo aloha ity, izay iniany sy ireo mpanara-dia aminy tsy resahina mihitsy.

Notsiahivin’ity Loholona ity ihany koa fa tamin’ny andron’ny Filoha teo aloha Hery Rajaonarimampianina no nijoro ny MLE na ny Mouvement pour la Liberté d’Expression izay nanoherana ny jadona tamin’ny saika hanovana an-tery ny lalàna mifehy ny asa fanaovan-gazety, ary saika nanagadrana mpanao gazety mihitsy. « Izaho izao no anisany nitarika ny MLE nanohitra izany lalàna izany”, hoy izy. Ny Fitondrana Rajelina no nanova ny lalàna mba hisian’ny fahalalahan’ny mpanao gazety, tsara indrindra hatramin’izay. Ny lalàna izay misy ankehitriny , no miantoka izay fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety izay.

Ampihimamba

Raha ny fitantanan’ireo filoha teo aloha izay nanao ny zarazarao anjakana no fomba entina mitondra ny firenena dia tsy ho tafavoaka mihitsy. Tsara ho fantatra fa mpandraharaha maro no sahirana tamin’ny andron-dRavalomanana, vokatry ny ampihimamba nataon’ity farany. Tamin ‘ny andron’i Hery Rajaonarimampianina koa dia nisy ny mpandraharaha tena akaiky azy izay nanao izay danin’ny kibony mihitsy tamin’ny tontolon’ny fandraharahana teto Madagasikara.

Ny fiantsoana “fihavanana” nataon’ireo Filoha teo aloha ireo dia toy ny fanaovana ririnin-dasa tsaroana.

“Ekena fa sahirana ny Malagasy. Saingy, teo izy ireo nitantana nefa tsy hita izay natao, fa ankehitriny lasa mahay izay tokony ho  natao ? Kajy politika no tiana atao dia atambatra amin’izay zava-miseho  rehetra eto amin’ny firenena. Anisany tsy mahafaly ny mpanohitra koa moa ny andraisantsika ny fihaonana an-tampon’ireo filoham-pirenena sy praiministra eo anivon’ny Vaomieran’ny Ranomasimbe Indianina (COI), ka mitady ny fomba rehetra hisian’ny savorovoro sy korontana izy ireo. Ny fampiantranoana io fihaonana io anefa dia tsy tombontsoan’olon-tokana fa tombontsoam-pirenena.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer