Songadim-baovaoTrangam-piaraha-monina
ANKIRIHIRY TOAMASINA : Jiolahy fito nanafika, voaroba ny volabe 6 Tapitrisa Ar sy volamena
Nitrangana fanafihana mahery vaika afakomaly, tamin’ny 3 ora maraina, tao Ankirihiry Toamasina an-tampon-tanàna. Jiolahy miisa fito nisaron-tava niditra an-keriny sy nandroba tao amina tokantrano iray. Volabe mitentina 6 tapitrisa Ar sy firavaka volamena, miaraka amina finday avo lenta sy ordinatera entin-tanana sy maro hafa no lasa . Mandeha ny fanadihadiana…
Nisehoana fanafihana mahery vaika afakomaly vao maraimbe, tamin’ny 3 ora, tao Ankirihiry, plle 11/58, kaominina an-drenivohitra Toamasina. Raha ny fanambaran’ilay raim-pianakaviana lasibatra, jiolahy miisa fito nisaron-tava niditra an-keriny sy nandroba tao aminy. Volabe mitentina 6 tapitrisa Ar sy firavaka volamena, finday miisa efatra dia IPhone X, Samsung M 21, Motorola, Samsung FE 21, niampy ordinatera entin-tanana maivana 01 marika Dell, sy kojakoja maro hafa no lasa. Ny marainan’io ihany, dia nametraka taratasy fitoriana olon-tsy fantatra ny tompon-trano fa niharan’ny fanafihan-jiolahy tamin’ny alina. Rehefa nijery ifotony ny zava-nisy ireo zandary sy hanao fanadihadiana, dia nanambara ireo tompon-trano nanao saron-tava sy lamba mainty ary nitondra antsilava ireo jiolahy niditra an-keriny sy nandroba tao amin’ny tokantrano iray io. Na niseho aza io fanafihana io, tsy nisy ny naratra na aina nafoy nandritra ny fanafihana. Nisafidy ny zandarimaria moa ireo niharam-boina, mba handray an-tanana ny fanadihadiana ka ny tobim-paritra Toamasina no miandraikitra izany.
Tsy andeferana ireo olon-dratsy…
Raha tsiahivina, vao tsy nisy folo andro akory izay, no nidina tany an-toerana ny Praiminisitra lehiben’ny governemanta sady lehiben’ny OMC/Nat, miaraka amin’ireo Minisitra mpikambana ao anatin’ny Governemanta miandraikitra mivantana ny filaminana sy ny fandriampahalemana, ary ny Minisitra Mpiahy ny Faritra Atsinanana. Fidinana nanaovana fanadihadiana mikasika ny tsy fandriampahalemana any an-toerana miaraka amin’ireo tomponandraikitra rehetra mandrafitra ny OMC na ny « Organe Mixte de Conception » ao Toamasina I sy Toamasina II no notanterahina, nahitana ny fandraisana anjaran’ireo solontenam-panjakana ifotony, ireo olom-boafidy, sy ireo olom-boatendry, ary koa ireo tomponandraikitra ambony sivily sy miaramila. « Tsy azo leferina ny tsy fisian’ny filaminana sy fandriampahalemana eto amin’ny tanànan’i Toamasina », hoy ny Praiminisitra, ary tsy hijerena na iza na iza izany, na olom-boatendry na olom-boafidy na mpitandro filaminana miray tsikombakomba amin’ny mpanao ratsy, na manao tsirambina ny asany, ka mampisy fiantraikany ratsy sy manakorontana ny fiainan’ny vahoaka. Natao vaky bantsilana nandritra izany fotoana izany, ireo antony rehetra miteraka ny tsy fandriampahalemana eto an-tampon-tananan’i Toamasina, ary nomena tamin’izany koa ireo toromarika stratejika rehetra handravana ny tambajotr’ireo olon-dratsy. Tsy hisy ny fandeferana hoy ihany ny Praiminisitra, ary ho hentitra tanteraka ny fanajana ny fitsipika mifehy ny fitantanana hanadiovana ity tanànan’i Toamasina ity ao anatin’ny fotoana fohy eo amin’ny lafin’ny filaminana sy fandriampahalemana.
Pierre M.



