PolitikaSongadim-baovao
FANDRAISANA NY COI: Mety ho andro tsy fiasana ny 23 aprily 2025
Ho fandraisantsika eto Madagasikara ny fihaonana an-tampon’ny Vaomeran’ny Ranomasimbe Indianina dia anisan’ny fanapahan-kevitra noraisina ny hanaovana ny datin’ny 23 aprily ho andro tsy hiasana fa handraisan-karama. Andrasana ankehitriny ny didim-panjakana manamafy sy mahatonga io fanapahan-kevitra io hanan-kery. Heverina ho antony handraisana io fepetra io ny fandrindrana ny fifamoivoizana sy hikajiana ny filaminana mandritra ny fampiantranoana ireo olo-manan-kaja.
Nisy ny fihaonana teo amin’ny Fanjakana, ny solotenan’ireo mpampiasa ary ireo sendikan’ny mpiasa ka anisan’ireo fanapahan-kevitra noraisina tamin’izany ny hanaovana ho andro tsy fiasana fa handraisan-karama ny datin’ny alarobia 23 aprily 2025. Efa voarafitra io fanapahan-kevitra io saingy mbola andrasana ny famoahana didim-panjakana hahatonga azy ho ara-dalàna. Araka izany, mety ho andro tsy fiasana fa handraisan-karama eto amin’ny tanin’ny Repoblikan’i Madagasikara io datin’ny 23 aprily io.
Mifanindran-dalana indrindra amin’ny fandraisantsika ny fihaonana an-tompon’ny Vaomeran’ny Ranomasimbe Indianina (COI) izay hatao ny 24 aprily 2025 moa no anton’io fanapahan-kevitra io. Amin’io datin’ny herin’ny anio io no higadona eto amintsika ny filoha frantsay Emmanuel Macron. Hisy ny fihaonany amin’ny Filoha Andry Rajoelina eny amin’ny Lapan’Andafiavaratra. Ankoatra azy dia ho avy eto amintsika handray anjara amin’io fivoriambe io ihany koa ny Filoha komorianina Azali Assoumani, ny Filohampirenen’i Seychelles Wavel Ramkalawan, ary ny Praiminisitra maorisianina Dr Navinchandra Ramgoolam. Heverina ho noho ny fandrindrana ny fifamoivoizana sy fikajiana ny filaminan’ny tanàna, noho izany, no antony handraisana ireo fepetra ireo.
Ankilany, mitaraina ankehitriny ireo mpivarotra amoron-dalana sasany eny Analakely sy ny manodidina fa misy andro maromaro tsy azo hivarotan’izy ireo mandritra ny fandraisantsika io fivoriambe io. Mitovy amin’izany ihany koa ireo fiara fitateram-bahoaka sasany izay nilaza fa tsy afaka ny hiasa izy ireo. Nitondra fanazavana mahakasika izany ny filohan’ny UCTU omaly. Izy izay avy nanatanteraka fihaonana tamin’ny tompon’andraikitra teo anivon’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra. Nambarany fa tsy mbola misy hatreto ny toromarika avy amin’ny tompon’andraikitra milaza fa hatsahatra mandritra ny 2 na 3 andro ny fitateram-bahoaka amin’io herinandro io. Ny zavatra mety hisy kosa anefa dia ny fampiharana ny lalàn’ny fifamoivoizana rehefa hisy olom-panjakana mandalo. Tsy maintsy hisy fahatapahan-dalana anatin’ny fotoana fohy satria Filohampirenena no resaka eto. Mba hialana amin’ny honohono sy ny tsaho, araka izany, mila manaraka hatrany ny toromarika avy amin’ireo tompon’andraikitra tena azo antoka ny rehetra.
S.S




