Songadim-baovaoToekarena
ADY AMIN’NY FIOVAN’NY TOETRANDRO: Manomana ny fametrahana «tetibola maitso» i Madagasikara
Mampihena hatramin’ny 5% ny vola miditra ao amin’ny kitapom-bolam-panjakana ireo fiantraika ratsy amin’ny fiovaovan’ny toetrandro eto amintsika. Ohatra amin’izany ny fivatravatran’ny rivodoza, ny fihitaran’ny haintany, ary ny tondra-drano. Ireo rehetra ireo izay mampitondra takaitra ratsy ny lafiny fanjariantsakafo, ny fisitrahana rano fisotro madio, ny fotodrafitra ary ny fahafaha-miatriky ny mponina. Noho izany dia maro ireo vola mivoaka amin’ny Fanjakana isan-taona ho fiantrehantsika ireo vokatry ny fiovan’ny toetrandro ireo. “Raha tsy miova ny fomba fitantanantsika ny vola dia hizaka ny olana ara-bola hatrany isika rehefa misy loza voajanahary”, hoy ny Minisitry ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy Max Andonirina Fontaine.
Noho izany zava-misy izany dia miroso amin’ny fitondrana fanavaozana ao anatin’ny fitantanam-bolam-panjakana ny Governemanta Malagasy. Vokatry ny famatsiam-bola azo avy amin’ny FMI (Fonds Monetaire International) tamin’ny alalan’ny FRD (Facilité pour la Résilience et la Durabilité) dia hapetraka ao anatin’ny tetibolam-panjakana ny mahakasika ny ady amin’ny fiovan’ny toetrandro. Ilaina, noho izany, ny fametrahana “nomenclature” manokana ahafahana mamantatra sy manara-maso ary manombana ireo fandaniana mifandraika amin’ny fiatrehana sy ny fanenanana ny fiovan’ny toetrandro ao amin’ny tetibolam-panjakana. Mandritra ny roa andro, naomboka omaly, dia misy ny atrikasa hivondronan’ireo tompon’andraikitra mba hampiharana io fomba fiasa nohavaozina io. Mitarika izany ny avy amin’ny Ministeran’ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy, miaraka amin’ny Ministeran’ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola. Manohana ra-teknika kosa ny avy amin’ny FMI sy ny manam-pahaizana manokana avy amin’ny UNDRR ary ny Ambasadin’i Japon eto Madagasikara.
Dingana goavana amin’ny fametrahana voalohany ny “tetibola maitso” eto Madagasikara, araka izany, izao hirosoana izao, izay ho ampidirina ao anatin’ny “Loi de Finances 2026”. Ny fampiharana izany dia hahafahana manamafy hatrany ny fangaraharan’ny asam-panjakana mitodika mankany amin’ny toetrandro sy manamora ny fanetsehana famatsiam-bola fanampy, na avy eto amin’ny sehatra anatiny na avy any ivelany.
S.S




