Songadim-baovaoSosialy
« TULIPE 2025 » AO MAHAJANGA : Miaramila 1500 avy amin’ny Firenena dimy hifanakalo traikefa
Hotanterahina eto Madagasikara ny fanazarantena ara-tafika iraisampirenena, izay hatao any Mahajanga, misalotra ny anarana hoe « Tulipe 2025 ». Firenena dimy no handray anjara, ka isan’izany i Madagasikara, La Réunion, Kaomoro, Seychelles, ary i Maorisy. Raha ny fampitam-baovao, ny alahady faha 20 ka hatramin’ny zoma 26 Aprily ho avy izao no hanatontosana izany. Manodidina ny 1500 ireo miaramila avy amin’ny Firenena dimy handray anjara, ka maro an’isa amin’izany ny Tafika Malagasy. Teny amin’ny Toby miaramila Capsat Soanierana no toeram-piaingana omaly, nahitana ireo miaramila eo anivon’ny Vondrona samihafa sy ny mpianatra ho Manamboninahitra, eo anivon’ny Akademia miaramila Antsirabe. Efa nanomboka ny 9 avrily lasa teo no efa nanomboka ny fampitaovana, ary efa tonga any Mahajanga izany, izay hanatanterahana ny fanazarantena. Tiana ny manamarika fa efa any Mahajanga avokoa ny mpiantsehatra rehetra, indrindra ny Tafika Malagasy izay mandray anjara amin’io, izay ahitana ny Tafika an-tanety, ny tafika anabakabaka sy ny tafika an-dranomasina.
Ankoatra izay, notendrena ho mpandrindra ankapoben’ity hetsika ity ny lehiben’ny Etamazaoro ny tafika an-tanety. Tanjona, mazava fa amin’ny maha Nosy antsika, dia tsy afaka ny hiolonolona samirery isika ary tsy mihambo ho mahavita tena, fa tsy maintsy misy ny fiaraha-mientana, eo amin’ny Firenena mpifanolo-bodirindrina. Tafiditra ao anatin’izany ny fametrahana ny fandriampahalemana, aty amin’ny faritra atsimon’ny Ranomasimbe indiana. Tanjona faharoa, ny fiatrehana ireo ambana marolafy na voajanahary izany, na ataon’olombelona, izay tsy mitsaha-mivoatra amin’ny endrika marolafy. Ny fanazarantena tahaka izao, dia fanao manerantany, isaky ny kaontinanta mihitsy aza. Ho antsika aty amin’ny faritra atsimon’ny Ranomasimbe indiana, efa ela no nisian’izany, isan’izany ny « Ivondro », notontosaina tamin’ny taona 2022, tany amin’ny Faritra Atsinanana, Toamasina. Fifanarahana tamin’ireo firenena mpandray anjara ny hetsika, hanamafisana ny fahaizamanao sy ny fifanakalozana traikefa eo amin’ireo samy Tafika. Manamafy ireo ny fanamafisana teti-panorona sy ny fahaiza-manao eo amin’ireo samy Tafika isaky ny firenena mpandray anjara.
Rado Harivelo




